Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 15:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Izay hitondra izany sorona izany ho Ahy TOMPO, dia hanao fanatitra lafarinina telo kilao voaharo menaka iray litatra sy tapany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha, voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Izay hitondra izany sorona izany ho Ahy TOMPO, dia hanao fanatitra lafarinina telo kilao voaharo menaka iray litatra sy tapany

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 izay hanao ny fanatitra ho an’i Iaveh, dia hanolotra lafarina tsara indrindra ampahafolony, voadity tamin’ny diloilo ampahefatry ny hina, hatao fanatitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 izay manatitra ny fanatiny ho an’i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 izay manatitra ny fanatiny ho an'i Jehovah dia hanatitra fanatitra hohanina koa, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharo diloilo ampahefatry ny hina;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 izay manolotra ny fanatiny ho an’NY TOMPO dia hanolotra fanatitra avy amin’ny zavamaniry koa, dia koba tsara toto ampahafolon’ny efaha*, voaharo diloilo ampahefatry ny hina*;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:4
21 Rohy Ifampitohizana  

Koa himasoanao ny hividy amin’io vola io ny ombilahy sy ondrilahy ary zanakondry mbamin’izay ilaina hatao fanatitra hohanina sy fanatitra araraka; dia haterinao eo ambonin’ny alitara ao an-tranon’Andriamanitrareo any Jerosalema ireny.


Miaraka amin’ny zanakondry amin’ny maraina sy ny hariva, dia hitondrana koba telopolo kilao efa voakapoka amin’ny diloilo tsara iray litatra sy sasany sy fanatitra divay iray litatra sy sasany. Ireo dia ho sorona atolotra Ahy TOMPO, ka ho hanitra ankasitrahina ho Ahy.


Ary hitondra ireo rehetra mpiray firenena aminareo avy amin’ny firenen-drehetra kosa ireto hafa firenena ireto. Mitaingin-tsoavaly ny mpiray firenena aminareo, entina an-kalesy na am-pilanjana, mitaingina boriky na rameva hatrany an-tendrombohitro masina any Jerosalema. Izany no ho fanatitr’ireo hafa firenena ho Ahy TOMPO, ka horaisiko tahaka ny fanatitra entin’ireo Israelita ao anaty lovia madio hankao an-tranoko.


Isa-maraina koa no hanolorana amin’ny TOMPO koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin’ny Tompo izany, ary lalàna raikitra hatrany hatrany.


Izay mpanolotra no hanasa ny taovany sy ny tongony; fa ilay mpisorona kosa no hitondra azy rehetra ka handoro azy hanetona eo ambonin’ny alitara. Sorona dorana manontolo izany, dia sorona levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO.


«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


«Raha misy te hanolotra fanatitra vokatry ny tany ho an’ny TOMPO, dia lafarinina tsara indrindra no aoka hatolony; ary handrarahany menaka sy hasiany vovoka zava-manitra eo amboniny.


dia handrarahanao menaka sady hasianao ditin-kazo manitra eo amboniny: fanatitra vokatry ny tany izany.


Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.


Rehefa ondry no atolotra ho fanatitra, dia hoentina eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO izany.


Haroana menaka izany koba izany, dia hendasina amin’ny lapoaly; ary rehefa voaendy izy, dia vakivakîna, vao atao fanatitra ho hanitra ankasitrahina ho Ahy Tompo.


Fa manomboka any atsinanana ka hatrany andrefana no hieken’ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako. Ary hatraiza hatraiza no handoroana sorona sy hanaovana fanatitra mendrika ny anarako. Eny, hiaiky ireo hafa firenena fa lehibe ny lazako, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Ny biby tsirairay dia hampiarahina amin’ny lafarinina tsara toto nofetaina tamin’ny menaka, dia lafarinina sivy kilao isan’ombilahy, lafarinina enina kilao isan’ondrilahy,


Ny zanak’ondry voalohany dia hatolotra ny maraina ary ny faharoa kosa ny hariva,


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.


fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina.


Aza hadinoina ny fanaovan-tsoa sy ny fifanampiana, fa sorona toy izany no sitrak’Andriamanitra.


Fa namaly azy ny hazo ôliva hoe: ‹Dia holaviko ve ny hamokatra diloilo izay anomezam-boninahitra ny andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevaheva eny ambonin’ny hazo hafa aho?›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra