Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 15:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana ho an’ny fiangonana israelita ka ho voavela izy satria ota tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatitra amiko izy ireo, dia ny sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO sy ny sorona fanalana ny ota eo anatrehako noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Avy eo ny mpisorona dia hanao ny fombam-pivavahana famelana ho an’ny fiangonana israelita ka ho voavela izy satria ota tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatitra amiko izy ireo, dia ny sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO sy ny sorona fanalana ny ota eo anatrehako noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Dia hanao ny fanonerana ho an’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra ny mpisorona, ka havela ny helony, satria ota vita tsy nahy izany sady efa nanolotra ny fanatiny izy, dia ny sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh sy ny sorona noho ny ota, eo anatrehan’i Iaveh, noho ny ota nataony tsy nahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonana, dia ny Zanak’Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan’i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka dia havela ny helony, satria natao tsy nahy izany; ary hitondra ny fanatiny izy, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, ary ny fanatiny noho ny ota, eo anatrehan'i Jehovah, noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ny fiangonan’ny Zanak’Israely manontolo ka havela ny helony satria natao tsy nahy izany; hanolotra ny fanatiny izy, dia fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO sy ny fanatiny, eo anatrehan’NY TOMPO, noho ny ota tsy nahy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:25
13 Rohy Ifampitohizana  

Arakaraka ny mahabe ny teny no mahabe ny nofy sy ny zava-poana. Koa Andriamanitra no hajao.


Dia hanolotra ireo ny mpisorona; ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona ho an-dralehilahy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany.


Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Ary i Jesoa namerimberina hoe: –Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaràn’ireo miaramila ny fitafian’i Jesoa ka nanaovany loka.


Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra


Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.


Koa amin’ny zavatra rehetra dia tsy maintsy tahaka ireo zandriny Izy, ka ho tonga Mpisorombe mamindra fo sy mahatoky eo amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mba hanonitra ny heloky ny vahoaka.


fa ao amin’ny tranolay faharoa kosa dia ny mpisorombe irery ihany no miditra ao indray mandeha isan-taona, sady mitondra ram-biby hatolony an’Andriamanitra ho fanalana ny hadisoana tsy nahy vitan’ny tenany sy vitan’ny vahoaka.


Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an’izao tontolo izao koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra