Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 15:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Mitovy ihany ny fitsipika ho an’ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin’ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary ny amin’ny fiangonana dia lalàna iray ihany no ho aminareo sy izay mpifindra monina eo aminareo koa, dia lalàna maharitra hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby izany; tsy hisy hafa eo anatrehan’NY TOMPO na ianareo na ny mpifindra monina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Mitovy ihany ny fitsipika ho an’ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin’ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Lalàna iray ihany no ho an’ny fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny monina eo aminareo; lalàna mandrakizay ho an’ny taranakareo izany: tsy hisy hafa na ny aminareo na ny amin’ny vahiny, eo anatrehan’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny amin’ny fiangonana, dia lalàna iray ihany no fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’i Jehovah na hianareo na ny vahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny amin'ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan'i Jehovah na ianareo na ny vahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:15
17 Rohy Ifampitohizana  

no nahatonga azy ireo hampijoro sy handraikitra izany fanao izany ho an’ny tenany sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy: dia ny hankalaza isan-taona ireo andro roa ireo araka ny voasoratr’i Môrdôkay sy araka ny fotoana voatendry.


«Hotsarovana hatrany hatrany io andro io, ka hotandremanareo amin’ny alalan’ny fety manetriketrika ho fankalazana Ahy TOMPO: ho lalàna raikitra ho anareo izany.


Tandremo io zavatra io mba ho lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany.


Ary hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy sy i Aharôna: –Izao no fepetra momba ny fetin’ny Paska: «Tsy misy vahiny mahazo mihinana amin’ny sakafo.


«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»


Hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany izany rehefa hiditra ao amin’ny Tranolay fihaonana izy, na manatona eo amin’ny alitara hanao ny raharaha maha mpisorona ao amin’ny Toeramasina. Izany no tsy hahazoany heloka hahafaty azy. Ho fepetra raikitra izany ho an’i Aharôna sy ny taranany.


«Fitsipika tokana no hitondrana anareo, na vahiny na tompontany, fa Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»


«Ireo mpisorona taranak’i Aharôna ihany no hitsoka ny trômpetra; lalàna raikitra ho anareo sy ny taranakareo izany.


Ny vahiny na izay olona mipetraka ao aminareo, na koa ny valovotaka efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby, dia samy hanaraka izany avokoa, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.


Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny Israelita na amin’ny vahiny izay eo aminy, raha toa ka misy ny manota tsy nahy.


Niteny tamin’i Aharôna ny TOMPO ka nanao hoe: –Indro efa nampiandraiketiko anao ny fanatitra masina rehetra aterin’ny Israelita ho Ahy; omeko ho anjara raikitra ho anao sy ny taranakao izany.


Ary raha misy vahiny eo aminareo ka te hankalaza ny Paska ho fanajana AHY, dia hanaraka ny fomba fanao amin’ny Paska izy. Mitovy ihany ny lalàna na amin’ny vahiny izany na amin’ny Israelita.»


Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Koa amin’izany, tsy misy ny hoe hafa firenena sy Jiosy, voafora sy tsy voafora, olona tsy mivoatra na tratra aoriana, mpanompo sy tsy mpanompo; fa i Kristy no zavatra rehetra sady ao aminareo rehetra.


Ny Israelita rehetra mbamin’ny loholony sy lehibeny ama-mpitsarany, ary koa ireo hafa firenena niara-nonina taminy, dia nitsangana teo andaniny sy ankilan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nanatrika ny levita mpisorona izay nitondra azy. Teo akaikin’ny tendrombohitra Gerizima ny antsasak’ireo olona ireo, ary teo akaikin’ny tendrombohitr’i Hebala kosa ny antsasany, araka izay didy efa nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO mba hitsofan-drano ny vahoaka Israely.


Nanomboka tamin’io andro io, dia nataon’i Davida lalàna sy fomba ho an’i Israely izany ary mbola arahina mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra