Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 15:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Ny vahiny na izay olona mipetraka ao aminareo, na koa ny valovotaka efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby, dia samy hanaraka izany avokoa, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary raha misy mpifindra monina eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka manolotra fanatitra levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’NY TOMPO izy, dia araka izay ataonareo no hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Ny vahiny na izay olona mipetraka ao aminareo, na koa ny valovotaka efa hatramin’ny taranaka maro nifandimby, dia samy hanaraka izany avokoa, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho AHY.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Raha misy vahiny mitoetra eo aminareo, olona miara-monina aminareo, amin’ny taranaka mifandimby, na iza na iza, ka manatitra sorona atao amin’ny afo ho hanitra mahafinaritra ho an’i Iaveh, dia toy ny hataonareo ihany no hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin’ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin’ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary raha misy vahiny eo aminareo, na olona miara-mitoetra aminareo, hatramin'ny taranakareo fara mandimby, ka manatitra fanatitra atao amin'ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah izy, dia araka izay ataonareo no hataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 15:14
5 Rohy Ifampitohizana  

satria nandre ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,


mba hamepetra an’i Aharôna sy ny zanany mbamin’ny Israelita hoe: «Na iza na iza, Israelita na vahiny valovotaka eo aminy, te hanatitra zavatra amiko TOMPO ho sorona dorana manontolo mba ho fanalàm-boady na ho fanomezana an-tsitrapo, dia izao no hataony:


Raha misy biby vositra entin’olona hafa firenena, dia tsy azonareo aterina ho sakafo aroso ho Ahy Andriamanitrareo ireny; satria noho izy novosirina, dia misy kilema ka tsy hahazoanareo sitraka.»


Hanaraka izany ny Israelita rehetra, rehefa manao sorona izay hanetona ho hanitra hankasitrahina ho Ahy TOMPO.


Mitovy ihany ny fitsipika ho an’ny mpiray fiangonana, na ho anareo na ho an’ny vahiny izay eo aminareo, ary dia hanan-kery amin’ny taranaka rehetra mifandimby izany; tsy hisy hafa ianareo sy ny vahiny eo anatrehako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra