Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 14:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Kanefa velona Aho ary feno ny voninahitra maha TOMPO Ahy ny tany tontolo, koa mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin’io tany io ireo olona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Kanefa raha velona koa Aho ka mameno ny tany rehetra ny voninahitry NY TOMPO,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Kanefa velona Aho ary feno ny voninahitra maha TOMPO Ahy ny tany tontolo, koa mianiana Aho fa tsy hisy hiditra amin’io tany io ireo olona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Kanefa velona Aho, ary ho feno ny voninahitr’i Iaveh ny tany rehetra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr’i Jehovah ny tany rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Kanefa raha velona koa Aho, ka ho feno ny voninahitr'i Jehovah ny tany rehetra,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:21
16 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra ô, misandrata Ianao hanerinerina any an-tampon’ny lanitra. Aoka anie ny voninahitrao hamiratra amin’ny tany tontolo!


Hisaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany tontolo ho henika ny voninahiny! Amen! Amen!


Saingy navelako ho velona ianao mba hahitanao ny heriko sy hitantarana ny lazako any amin’ny tany rehetra.


Atopazo ny masonao hijery manodidina, ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao. Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka mianiana fa izy rehetra dia hataonao fihaingo toy ny firavaka ary hataonao fietra toy ny fehikibon’ny ampakarina.


Ary niantso mafy ireo ka nifamaly hoe: «Masina, masina, masina ny TOMPOn’izao rehetra izao! Feno ny voninahiny ny tany manontolo!»


Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Velona Aho ka mianiana fa na dia toy ny peratra fanombohan-kase eo an-tanako havanana aza ianao, ry Kônià zanakalahin’i Jôiakima sady mpanjakan’i Joda, dia hoesoriko hiala eo.


Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY, ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy hotononinareo any Israely intsony izany.


Tahaka ny nanamelohako ny razanareo tany an-taniefitra akaikin’i Ejipta no hanamelohako anareo koa. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.


Ambarao aminy hoe: Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy sitrako ny hahafatesan’ireo olon-dratsy; fa ny tena tadiaviko dia ny hiovany mba hahavelona azy. Koa ialao mihitsy ny toe-dratsinareo, ry Israelita, fa nahoana moa no te ho faty ianareo?


«Ambarao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Velona Aho ka mianiana fa izay sisa tavela ao amin’ireo tanàna rava dia ho fatin’ny sabatra, izay any an-tsaha dia homeko ho rembin’ny bibidia, ary izay miery any an-tendrombohitra sy any an-dava-bato dia ho fatin’ny areti-mandringana.


«Eny, velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin’ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.


Eny, ny fiekena ny TOMPO be voninahitra dia hanenika ny mponin’ny tany tokoa tahaka ny anaronan’ny ranobe ny fanambanin’ny ranomasina.


Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Môaba sy i Hamôna, ho tahaka ny tanànan’i Sôdôma sy Gômôra ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin’ny vahoakako».


Mandehana lazao aminy hoe: «Velona Izaho TOMPO, ka mianiana fa araka ny teny izay reko taminareo ihany no hataoko aminareo.


ho tonga anie ny Fanjakanao; hatao anie ny sitraponao, eto an-tany tahaka ny any an-danitra.


Manangan-tanana amin’ny lanitra Aho, ka mianiana hoe: ‹Velona mandrakizay Aho,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra