Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Nomery 14:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Nahita ny voninahitro sy ny asa mahagaga nataoko tany Ejipta sy tany an-taniefitra izy ireo, nefa tsy nitsahatra naka fanahy Ahy tamin’ny tsy fihainoany ny teniko;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 ireo lehilahy rehetra ireo izay nahita ny voninahitro sy ireo famantarako izay nataoko tany Ejipta sy tany an-tany efitra kanefa naka fanahy Ahy efa impolo kely izao ka tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Nahita ny voninahitro sy ny asa mahagaga nataoko tany Ejipta sy tany an-taniefitra izy ireo, nefa tsy nitsahatra naka fanahy Ahy tamin’ny tsy fihainoany ny teniko;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Ka ireo olona rehetra nahita ny voninahitro amam-pahagagana nataoko tany Ejipta sy tany an’efitra, ireo izay efa naka fanahy Ahy impolo sahady, sady tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao impolo izao, ka tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 ireo lehilahy rehetra ireo, izay nahita ny voninahitro sy ny famantarako izay nataoko tany Egypta sy tany an-efitra, nefa naka fanahy Ahy izao im-polo izao, ka tsy nihaino ny feoko,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 14:22
31 Rohy Ifampitohizana  

Efa roapolo taona izao no nanompoako anao: efatra ambin’ny folo taona no niasako mba hanambadiako ny zanakao roa vavy, ary enin-taona mba hahazoako ondry aman’osy, saingy efa impolo kely ianao no nanova ny karamako.


kanefa namitaka ahy izy fa efa nanova ny karamako impolo. Saingy tsy navelan’Andriamanitra hanisy ratsy ahy izy.


Efa impolo kely izao no nanevatevanareo ahy, ka tsy menatra ve ianareo mampahory ahy toy izao?


Voan’ny fitsiriritana tany an-taniefitra ireo ary nihantsy an’Andriamanitra tany an-tany hay.


Koa nanangan-tanana hianiana Andriamanitra fa handringana an’ireo razanay any an-taniefitra,


Fa nikiry nihantsy an’Andriamanitra izy ka nampalahelo an’ilay Masin’i Israely.


sady niteny tamin’i Mosesy hoe: –Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta?


Dia nimonomonona tamin’i Mosesy ny vahoaka nanao hoe: Inona no hosotroinay?


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy i Aharôna tany an-taniefitra ny fiangonana Israelita tsivakivolo,


Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: –Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: –Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?


Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?


Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»


Nony hitan’ny vahoaka israelita fa tara ny fidinan’i Mosesy avy any an-tendrombohitra, dia nivory teo amin’i Aharôna izy, ka nanao taminy hoe: –Ndeha anaovy andriamanitra iray izahay handeha eo alohanay, satria tsy fantatray izay nanjo an’i Mosesy, ilay lehilahy namoaka anay hiala tany Ejipta.


ka hoy ireto mpitandrin-draharaha tamin’izy mirahalahy: –Aoka ho hitan’ny TOMPO izao nataonareo izao ka hanamelohany anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra tamin’ny Farao sy ny tandapany izahay; eny, nasianareo sabatra eny an-tanan’ireo mba hamonoany anay!


Betsaka ny zavatra hitany nefa tsy nisy tadidiny; manongilan-tsofina hihaino izy, nefa tsy misy zavatra reny.


Fony nanontany azy zavatra isan-karazany momba ny fahendrena sy fahaiza-manavaka kosa ny mpanjaka, dia nahatsapa fa nihoatra impolo heny noho ny mpanao majika aman-tsikidy rehetra tao amin’ny fanjakany manontolo ireo.


Ankehitriny dia ny mpirehaka no tokony hataonay hoe sambatra ary ny olon-dratsy no tokony hataonay hoe ambinina. Eny, fa na dia maka fanahy an’Andriamanitra aza ireo, dia afaka hatrany!› »


Indray andro dia nanao fitarainana tamin’ny TOMPO ireo Israelita. Rehefa nahare izany ny TOMPO, dia tezitra mafy ary nandefa ny afony ka nandoro ny vahoaka sy nandevona ny sisin’ny toby.


Nisy vahiny maro samy hafa fiaviana tafaharo tamin’ny Israelita izay liana te hihinan-kena aoka izany; ary ny Israelita koa dia nanomboka nitaraina indray ka nitomany hoe: «Iza no hanome hena hohaninay?


Nanome tsiny an’i Mosesy i Miriama sy i Aharôna noho ny nanambadiany vehivavy kosita, fa nampakatra vehivavy kosita tokoa izy.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Mandra-pahoviana no hanamavoan’ity vahoaka ity Ahy? Ary mandra-pahoviana no handavany tsy hino Ahy, na dia teo aza ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?


Nimonomonona tamin’i Mosesy sy I Aharôna ny Israelita rehetra ka nanao hoe: –Tsara kokoa ho antsika ny maty tany Ejipta na koa maty tatỳ an-taniefitra.


I Kaleba, zanakalahin’i Jefone izay anisan’ny tarik’i Kenaza, ary i Josoa zanakalahin’i Nona ihany no hiditra any, satria izy roa lahy no nanaraka ny teniko.»


Fa hoy i Jesoa taminy: –Izao koa no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»


Kanefa tsy sitrak’Andriamanitra ny ankabeazan-dry zareo ka maty ripaka tany an-taniefitra.


Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.


Tsarovy ny nampahatezeranareo ny TOMPO Andriamanitrareo; aza hadinoinareo mihitsy izany! Hatreo amin’ny andro nialanareo tany Ejipta ka hatramin’izao nahatongavanareo teto amin’ity toerana ity izao, dia tsy nitsahatra niodina tamin’ny TOMPO ianareo.


Tany no nakan’ny razanareo fanahy Ahy sy nizahany toetra Ahy, hoy Andriamanitra, na dia efa hitany aza ny asa vitako


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra