Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nehemia 7:63 - DIEM PROTESTANTA

63 «Nisy tamin’ireo mpisorona koa niharan’izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak’i Hôbaià sy i Hakôtsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin’i Barzilay izay avy any Gilehada).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

63 Ny avy tamin’ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Hobaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita io ka notononina araka ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

63 «Nisy tamin’ireo mpisorona koa niharan’izany tarehin-javatra izany, dia ny taranak’i Hôbaià sy i Hakôtsa ary i Barzilay; (nantsoina araka izany anarana izany i Barzilay noho izy nanambady ny zanakavavin’i Barzilay izay avy any Gilehada).

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

63 Ary ny tamin’ny mpisorona dia ny taranak’i Hôbià, ny taranak’i Akôsa, ny taranak’i Berzelai, izay naka ho vady ny anankiray tamin’ny zanaka vavin’i Berzelai, Galaadita, ka dia nantsoina amin’ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

63 Ary ny avy tamin’ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Hobaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barzilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

63 Ary ny avy tamin'ny mpisorona dia izao: Ny taranak'i Hobaia, ny taranak'i Hakoza, ny taranak'i Barzilay; nampaka-bady avy tamin'ny zanakavavin'i Barzilay Gileadita io ka notononina araka ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

63 Ny avy tamin’ny mpisorona dia izao: Ny taranak’i Hobaia, ny taranak’i Hakoza, ny taranak’i Barizilay; nampaka-bady avy tamin’ny zanakavavin’i Barizilay gileadita io ka notononina araka ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Nehemia 7:63
8 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga tao Mahanaîma i Davida, dia indreo tamy i Sôbỳ zanakalahin’i Nahasy avy any Rabà renivohitry ny Hamônita, sy i Makira zanakalahin’i Hamiela avy any Lô-Debàra, ary i Barzilay izay Gilehadita avy any Rôgelima.


Fa ireo zanakalahin’i Barzilay avy any Gilehada kosa dia asio soa ary aoka izy hihinana eo amin’ny latabatrao, satria tonga namonjy ahy izy fony aho nandositra an’i Absalôma rahalahinao.


I Kôtsa no ray niteraka an’i Hanoba sy i Tsôbebà; ary izy koa no razamben’ny tarik’i Aharihela, zanakalahin’i Haroma.


Teo an-kilan’ireo no namboatra ny manda i Meremôta zanakalahin’i Onà sy zafin’i Hakôtsa; nanarakaraka azy i Mesolama zanakalahin’i Besekià sy zafin’i Mesezabela; ary nanarakaraka io indray i Tsadôka zanakalahin’i Bahanà.


dia ny taranak’i Delaià sy i Tôbià ary i Nekôda; miisa 642 ireo lehilahy ireo.


Nitady ny taratasy milaza ny firazanany ry zareo saingy tsy nahita; dia noheverina ho tsy madio ara-pivavahana izy ka nahantona tsy hanao fisoronana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra