Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:51 - DIEM PROTESTANTA

51 Nisy tilikambo fiambenana mafy tao afovoan-tanàna, koa nandeha nialoka tao avokoa ny mponina rehetra na lahy na vavy mbamin’ireo lehiben’ny tanàna: nohidiany ny varavarana ary niakatra teny an-tampon-trano izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 Nisy tilikambo fiambenana mafy tao afovoan-tanàna, koa nandeha nialoka tao avokoa ny mponina rehetra na lahy na vavy mbamin’ireo lehiben’ny tanàna: nohidiany ny varavarana ary niakatra teny an-tampon-trano izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

51 Nisy tilikambo fiarovana mafy tao afovoan-tanàna, ka nandositra tao ny mponina rehetra tao an-tanàna na lahy na vavy, nohidian’izy ireo ny varavarana nony tafiditra, dia niakatra tany ambony tafon’ny tilikambo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin’ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon’ny tilikambo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

51 Fa nisy manda avo sady mafy teo afovoan’ny tanàna; nandositra tao ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ary ireo lehibe rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao ary niakatra teo an-tampon’ny manda avo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:51
3 Rohy Ifampitohizana  

Ny tempoly anefa tamin’izay dia feno lehilahy sy vehivavy ary tao koa ny mpanjaka filistinina rehetra; ankoatra izany, teo an-tampontrano dia nisy olona tokony ho telo arivo, izay nijery an’i Samsôna nanao fanalana hamohamo.


Avy eo dia nankany Tebetsa i Abimelèka, ary nanao fahirano ny tanàna ka nahazo azy.


Ary tonga hatrany amin’ny tilikambo i Abimelèka mba hamely izany; dia nanatona teo am-baravarana izy mba handoro ilay tilikambo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra