Fa iza no namely an’i Abimelèka zanakalahin’i Jerobahala, tao Tebetsy? Moa tsy vehivavy anankiray no nanjera vato fikoseham-bary taminy avy teny ambony manda ka nahafaty azy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo?» Raha izany no tenin’ny mpanjaka, dia valio hoe: «Maty koa i Orià, ilay Hetita manamboninahitra».
Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an’i Abimelèka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan’ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin’izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.
Nisy tilikambo fiambenana mafy tao afovoan-tanàna, koa nandeha nialoka tao avokoa ny mponina rehetra na lahy na vavy mbamin’ireo lehiben’ny tanàna: nohidiany ny varavarana ary niakatra teny an-tampon-trano izy rehetra.