Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Nony hitan’i Gaala irerỳ vahoaka, dia hoy izy tamin’i Zebola: «Indreny misy olona midina avy any an-tampon’ny tendrombohitra». Fa hoy kosa i Zebola taminy: «Ny aloky ny tendrombohitra no ataonao ho olona izany».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Ary rehefa hitan’i Gala ny olona, dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Rehefa hitan’i Gala ny olona dia hoy izy tamin’i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon’ny tendrombohitra. Hoy i Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka heverinao ho olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:36
4 Rohy Ifampitohizana  

Ry mponina amin’ny tanin’i Israely, mby akaiky ny faharavana hanjo anareo, tonga ny fotoana, antomotra ny andro fitsarana. Sahotaka no hisolo ny horakora-pifaliana eny an-tendrombohitra.


Nitraka ralehilahy sady namaly hoe: –Mahita aho, indreny ny olona fa tahaka ny hazo no ahitako azy, saingy izy mandehandeha.


Ary rehefa nivoaka ny tanàna i Gahala ary nijoro teo anoloan’ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin’ny toerana niafenany i Abimelèka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.


Nanamafy kosa i Gahala hoe: –Jereonao fa tafika mihitsy ireny midina avy amin’ny havoana afovoany ireny, ary misy antokony iray hafa koa avy amin’ny lalana mihazo ny Terebintan’ny Mpanandro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra