Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 9:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Ary rehefa nivoaka ny tanàna i Gahala ary nijoro teo anoloan’ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin’ny toerana niafenany i Abimelèka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Ary rehefa nivoaka ny tanàna i Gahala ary nijoro teo anoloan’ny vavahady, dia nipoitra avy tao amin’ny toerana niafenany i Abimelèka sy ny antokon-tafika niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Ary nivoaka i Gaala, zanak’i Obeda, ka nipetraka teo am-bavahadin’ny tanàna. Tamin’izay dia niainga avy ao am-panotrehana i Abimeleka sy ny vahoaka momba azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Dia nivoaka Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Dia nivoaka ny tanàna i Gala, zanak’i Ebeda, ka nijanona teo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna; dia niroatra avy tao amin’ny vela-pandrika i Abimeleka sy ny vahoaka izay niaraka taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 9:35
3 Rohy Ifampitohizana  

Indray andro dia tonga tao Sekema i Gahala zanakalahin’i Hebeda, sy ireo rahalahiny; ary nametraka fitokiana taminy ny mponin’i Sekema.


Dia niainga i Abimelèka sy ny tafika manontolo mpomba azy nony alina, ka nizara ho antokony efatra ary nandeha niafina tao akaikin’i Sekema.


Nahita ireo i Gahala ka nanao tamin’i Zebola hoe: –Jereonao fa misy tafika midina avy ao an-tampon-kavoana. Dia novalian’i Zebola hoe: –Tsia fa aloky ny havoana no heverinao ho olona!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra