15 Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’ny tsiloko ka handoro hatramin’ny hazo sederan’i Libano aza!› »
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona!
15 Ary namaly azy ny kirihitra tsilo hoe: ‹Raha sitrakareo tokoa ny hifidy ahy ho mpanjakanareo, dia avia mipetraka eto ambany alokaloko ianareo! Fa raha tsy hanao izany ianareo, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’ny tsiloko ka handoro hatramin’ny hazo sederan’i Libano aza!› »
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha marina tokoa àry, fa tianareo ny hanosotra ahy ho mpanjaka, dia avia ianareo, ka mialofa amin’ny alokaloko, fa raha tsy izany, aoka hivoaka afo ny tsilo milobolobo, ka handoro ny sederan’i Libàna.
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo: Raha ho soranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia hianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona.
15 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
15 Fa hoy ny tsilo tamin’ny hazo maniry: Raha hosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho dia avia ianareo ka mialofa ato amin’ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin’ny tsilo ka handevona ny sederan’i Libanona!
Tamin’ny alalan’ny mpanomponao no nanevatevanao Ahy Tompo. Hoy ianao hoe: ‹Izaho Saneheriba dia ny kalesiko marobe no niakarako teny an-tampon-tendrombohitra hatreo afovoan-tanin’i Libano mba hikapa ny sedera mijoalajoala sy ny kipreso voafantina eo aminy. Hiakarako ao ny tendrombohitra faran’izay avo sy ny tahirin’alany matevina indrindra.
Ilay niankinan’ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran’ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: «Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon’ny firenen-kafa», dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!
Nisy afo nivoaka avy tao amin’ny tahony ka nandevona ny rantsany sy ny voany; dia tsy misy intsony rantsana mafy azo atao tehim-pahefàn’ny mpifehy.» Tononkiram-palahelovana izany ka tokony hohiraina amin’alahelo.
Kanefa avelao ao amin’ny tany, eo anivon’ny ahi-maitso any an-tsaha, ny fotony sy ny fakany, ka hodidino fehy vy sy halimo. Aoka ho kotsan’ny ando io foto-kazo io; ary aoka izy hihinana ahitra tahaka ny biby.
Dia hoy ihany i Jôtama hoe: –Ankehitriny àry, moa rariny sy hitsiny ve ny nataonareo fony nampanjaka an’i Abimelèka ianareo? Mety ve ny nataonareo tamin’i Jerobahala sy ny ankohonany? Araka ny soa vitany taminareo ve no navalinareo azy?
Raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo mivoaka avy amin’i Abimelèka ka handoro anareo mponin’i Sekema sy i Bety-Milao, ary aoka hisy afo mivoaka avy aminareo ka handoro an’i Abimelèka!
Ary i Abimelèka sy ny antokony niaraka taminy dia niroatra naka toerana teo ambavahadin’ny tanàna, fa ireo antokony roa hafa kosa niroatra tamin’ireo olona tany an-tsaha ka nandringana azy.
Koa samy nikapa sampan-kazo iray avy ny miaramilany rehetra ary nanaraka an’i Abimelèka. Ary nentiny ny sampan-kazo ka natobiny teo anilan’ilay efitrano fierena, dia nodorany io mbamin’izay rehetra tao anatiny. Izany no nahafaty ny mponina rehetra tao Migdala-Sekema, dia lehilahy sy vehivavy tokony ho arivo.