Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:6 - DIEM PROTESTANTA

6 ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia nahantra indrindra ny Israely noho ny Midianita ka nitaraina tamin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 ary nahantra loatra ny Israelita noho ny nafitsoky ny Midianita, ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Reraka loatra i Israely noho ny amin’i Madiàna, ka nitaraina tamin’i Iaveh ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin’i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia nahantra indrindra ny Israely noho ny Midianita ka nitaraina tamin’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:6
13 Rohy Ifampitohizana  

Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Fa raha naringana izy, dia nitady an’Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;


TOMPO ô, fony azom-pahoriana izahay, dia nitady Anao tokoa; ary niantso vonjy taminao izahay, rehefa voaterin’ny famaizanao.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Na dia hiteny aza ny Edômita taranak’i Hesao hoe: «Rava sy potika izahay, nefa hatsanganay indray ny tanàna rava», Izaho TOMPOn’izao rehetra izao dia hamaly hoe: Aoka izy hanangana, fa Izaho kosa handrava. Ary ny olona hametaka anarana azy hoe: «Tany anjakam-paharatsiana» sy «Vahoaka tezeran’ny TOMPO mandrakizay».


Ny vahiny eo aminareo no hisandratra ho ambony dia ambony noho ianareo, fa ianareo kosa ho ambany dia ambany.


Noho izany dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Nanota taminao izahay, satria nandao Anao Andriamanitray ka nanompo ny Bahala andriamani-tsiizy.


Niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita ka nanirahany mpamonjy, dia i Ehoda, lehilahy kavia, izay zanak’i Gerà avy amin’ny fokon’i Benjamîna. Dia nalefan’ny Israelita i Ehoda mba hitondra fanomezana ho an’i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ny Israelita; ary IZY nanangana mpamonjy izay hanafaka ny Israelita, dia i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza izay zandrin’i Kaleba.


Nanana kalesy vy sivinjato i Jabîna ary nampahory fatratra ny Israelita nandritra ny roapolo taona; koa niantso vonjy tamin’ny TOMPO ireo.


Rehefa nitaraina tamin’ny TOMPO ny Israelita mba hanafaka azy amin’ny Midianita,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra