Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:34 - DIEM PROTESTANTA

34 Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ary notafina ny Fanahin’NY TOMPO i Gideona; dia nitsoka anjomara izy ka nivory nanaraka azy ny Abiezerita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Fa notsindrian’ny Fanahin’ny TOMPO i Gidehôna, dia nitsoka trompetra mba hiantso ny vatan-dehilahy tao amin’ny tarika abihezerita hanaraka azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

34 Fa notsindrian’ny Fanahin’i Iaveh i Jedeôna ka nitsoka trômpetra, dia nivory nanaraka azy ny Abieserita;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary notsindrian’ny Fanahin’i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

34 Ary notafina ny Fanahin’NY TOMPO i Gideona; dia nitsoka anjomara izy ka nivory nanaraka azy ny Abiezerita.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:34
20 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka hitsena azy i Davida ka nanao taminy hoe: –Raha fihavanana no ahatongavanareo atỳ amiko mba hanampy ahy, dia amin’ny foko tokoa no hikambanako aminareo; fa raha hamadika ahy kosa mba hanolotra ahy amin’ny fahavaloko, na tsy nanao an-keriny aza ny tanako, dia aoka ilay Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly anareo!


Tamin’izay, dia nentanin’ny Fanahin’Andriamanitra i Hamasay, filohan’ny «andian’ny telopolo lahy», ka niantso hoe: –Anao izahay, ry Davida ô! Miandany aminao izahay, ry zanakalahin’i Jisay! Fiadanana, fiadanana anie ho anao ary fiadanana anie ho an’ireo mpanampy anao, satria ilay Andriamanitrao no efa manampy anao! Dia noraisin’i Davida ireo ka notendreny ho isan’ny filohan’ny andian-tafika.


Ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra kosa tamin’izay i Zakarià mpisorona zanakalahin’i Jôiadà, ka nitsangana teo amin’ny toerana avoavo manoloana ny vahoaka izy ary nanao taminy hoe: «Izao no lazain’Andriamanitra aminareo: ‹Nahoana no mandika ny didiko ianareo? Tsy ahitanareo fanambinana izany. Noho Izaho TOMPO efa nilaozanareo, dia mba handao anareo koa Aho!› »


Hadinoy tanteraka ny fahotako ary koseho avokoa ny heloka vitako.


Rehefa tsofiny miaraka izy ireo, dia hiangona eo aminao eo anoloan’ny Tranolay fihaonana ny fiangonana iray manontolo.


Fa itafio ny fiadian’i Jesoa Kristy Tompo, ka aza mety hotarihin’ny maha olona mpanota ho amin’ny filàndratsy.


Eny, ianareo rehetra izay natao batisa mba ho tafaray amin’i Kristy Jesoa dia henika ny fiainan’i Kristy.


Ny tany teny andrefan’i Jôrdàna kosa dia nomena ny Manasita sisa ho an’ireo tarika ao anatiny: dia ny tarik’i Abihezera, ny tarik’i Heleka, ny tarik’i Asriela, ny tarik’i Sekema, ny tarik’i Hefera, ny tarik’i Semidà. Tera-dehilahy taranak’i Manase izay zanakalahin’i Jôsefa ireo, samy araka ny tarika misy azy avy.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


Dia nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka lasa nidina tany Askelôna izy. Namono nahafaty telopolo lahy tao izy ka naka ny fitafiany ary nanome ireny ho an’ireo nilaza ny valin’ny ankamantatra. Ary nirehi-pahatezerana i Samsôna ka niakatra nody tany amin’ny rainy.


Ary nony tonga tao Lehỳ izy, dia nitsena azy tamin’ny horakora-pandresena ny Filistinina. Tamin’izay kosa no nilatsaka tamin’i Samsôna ny Fanahin’ny TOMPO, ka nivaha mora foana toy ny tady rongony main’ny afo ireo tady mahazaka namatorana ny sandriny sy ny tanany.


Dia nitoetra tao aminy ny Fanahin’ny TOMPO, ka nitondra ny Israelita izy. Ary niainga hiady i Hôtniela; dia natolotry ny TOMPO teo an-tanany i Kosàna-Risehataîma mpanjakan’i Mezôpôtamia ka resiny.


Vao tonga tany Sehirà izy; dia nitsoka trompetra teny amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma hamory ny Israelita; avy teo izy dia nitarika ireo Israelita ireo ka niara-nidina taminy avy teny an-tendrombohitra


Ary tonga tao an-tanàna Hôfrà ilay anjelin’ny TOMPO ka nipetraka teo ambanin’ny hazo terebinta izay an’i Jôasy lehilahy anisan’ny tarik’i Abihezera. I Gidehôna zanakalahin’i Jôasy tamin’izay dia teo am-pivelezam-bary tao amin’ny famiazam-boaloboka mba tsy ho hitan’ny Midianita.


Fa namaly azy i Gidehôna ka nanao hoe: –Inona moa izay nataoko raha mitaha amin’ny zava-bitanareo? Moa tsy ny firotsahanareo Efraîmita na dia teo amin’ny sehatra kely aza ve no tsara lavitra noho ny nataon’ny tarika abihezerita fiaviako?


Hilatsaka aminao ny Fanahin’ny TOMPO, ka haminany miaraka amin’izy ireo ianao ary ho tonga olom-baovao.


Raha nandre izany i Saoly, dia nilatsahan’ny Fanahin’Andriamanitra, ary nirehi-pahatezerana mafy.


Novonoin’i Jônatàna ho faty ny governora filistinina izay tao Gebà, ary fantatry ny Filistinina izany. Nasain’i Saoly notsofina nanerana ny taniny tontolo ny anjomara satria hoy izy anakampony hoe: «Aoka ho fantatry ny Hebreo izany!»


Nandao an’i Saoly ny Fanahin’ny TOMPO, ka dia fanahy ratsy avy amin’ny TOMPO no tonga nampahory azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra