Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:33 - DIEM PROTESTANTA

33 Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

33 Ary nivory ny Midianita rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny Atsinanana, dia nita ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

33 Ny Midianita rehetra mbamin’ny Hamalekita ary ny mpifindrafindra lasy avy any atsinanana dia nivondrona ka niampita an’i Jôrdàna ary nanorina ny tobiny tao amin’ny lemak’i Jizrehela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

33 Ary nivory i Madiàna sy i Amaleka mbamin’ny zanaky ny Atsinanana rehetra, ka nita an’i Jordany izy, dia nitoby teo amin’ny tany lemaka Jezraela.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

33 ARY ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin’ny tany lemaka Jezirela.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

33 Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:33
21 Rohy Ifampitohizana  

Ary niainga i Jakôba ka nankany amin’ny tany atsinanana, dia ny tanindrazan-dreniny.


Fa raha nihamaintin-drahona ny lanitra sady nandrivotra be ny andro ary nilatsaka ny orambe, i Ahaba kosa nitaingina ny kalesiny ka lasa nankany Jizrehela.


Taorian’izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabôta tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin’ny lapan’i Ahaba mpanjakan’i Samaria.


Dia niady tamin’ny Hagrîta sy tamin’ny taranak’i Jetora sy i Nafisa ary i Nôdaba ry zareo.


Nanana ondry fito arivo sy rameva telo arivo ary omby arivo sy borikivavy dimanjato mbamin’ny mpanompo marobe koa izy. I Jôba no lehilahy nanan-kaja indrindra tany atsinanan’i Palestinina.


Salamo nataon’i Davida, fony izy nandositra an’i Absalôma zanany lahy .


Noho izany, havelako halain’ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo: Hanorina toby eo amin’ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.


Amin’izany andro izany dia homontsaniko eo amin’ny lemak’i Jizrehèla ny herin’i Israely ara-tafika.


Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.


Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Jizrehela, i Kesolôta, i Sonema,


dia nijanona ny rano avy any ambony ka nisavovona toy ny antontan-javatra terỳ lavitra terỳ, dia terỳ amin’ny tanàna Adama izay takaikin’ny tanàna Tsaratàna; ary ny rano ambany izay nikoriana ho any amin’ny Ranomasina Maty kosa dia ritra tanteraka, hany ka afaka niampita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.


Fa isaky ny avy nanao famafazam-boa ny sahany ny Israelita, dia tonga nanafika ny Midianita niaraka tamin’ny Hamalekita sy ireo mpifindrafindra lasy avy any atsinanana.


Vao maraina be i Gidehôna, izay nantsoina koa hoe Jerobahala, no niainga niaraka tamin’ny tafiny manontolo ka nandeha nitoby teo akaikin’i Haîna-Harôda. Ny tobin’ny Midianita kosa dia terỳ avaratra, teo amin’ny lemaka anilan’ny havoana Môre.


Ary nandefa iraka nankany amin’ny faritra manontolo be tendrombohitra any Efraîma i Gidehôna hilaza hoe: –Midîna ianareo hisakana ny Midianita ka mialohà azy hibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà. Dia nivory ny vatan-dehilahy efraîmita ka nidina nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna hatrany Bety-Barà.


Koa telonjato lahy ihany no notazonin’i Gidehôna hiaraka aminy fa ny Israelita hafa rehetra nalefany hody any amin’ny fonenany avy; saingy notazonina kosa ny vatsy sy ny trompetran’ireo nandeha. Ny tobin’ny Midianita dia terỳ ambany kokoa tao amin’ny lemaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra