Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:30 - DIEM PROTESTANTA

30 Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

30 Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

30 Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

30 Dia voaetry eo ambanin’ny tanan’i Israely i Moaba tamin’izany andro izany ka nandry valopolo taona ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

30 Dia resin’ny tànan’ny Isiraely ny Moabita tamin’izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

30 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

30 Naetrin’ny Israely ny Moabita tamin’izany andro izany. Dia nandry ny tany nandritra ny valopolo taona.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:30
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandry fahalemana ny tany nandritra ny efapolo taona; avy eo dia maty i Hôtniela, zanakalahin’i Kenaza.


Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.


Ary i Samgary, zanakalahin’i Hanata, no nandimby an’i Ehoda. Nahafaty ny Filistinina eninjato lahy tamin’ny fanindronan’omby izy, ka nanafaka ny Israelita ihany koa.


TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.


I Elimelèka no anaran-dralehilahy, i Nahômỳ no anaran’ny vadiny, ary ny anaran’ny zanany roa lahy kosa dia i Mahalôna sy i Kiliôna; Efratîta avy ao Betleheman’i Joda izy efa-mianaka. Tonga tany amin’ny faritr’i Môaba izy ireo; fony izy mianakavy nonina tany


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra