Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 3:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Tamin’izay andro izay dia Môabita sahabo ho andiany folo no matiny, dia vatan-dehilahy tomady sy mahery fo avokoa; ka tsy nisy afa-nitsoaka ireny na iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Nandresy an’i Moaba izy ireo tamin’izany andro izany, tokony ho lehilahy iray alina, samy tomady sy mahery avokoa, ka tsy afa-nandositra na dia iray aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin’izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Dia namono ny Moabita tamin’izany andro izany izy, tokony ho lehilahy iray alina izay samy olona vaventy sady mahery avokoa; tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 3:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Fenofeno ny tarehiny sady mahazo nofo ny tenabeny.


Tsy mba manana fo mangoraka izy, ary ny teniny feno avonavona.


Tamin’izany andro izany, dia nomeko baiko ireo ka nataoko hoe: «Efa nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo ho fanananareo ity faritany ity; ka ndeha mita eo alohan’ny Israelita hafa havanareo ianareo lehilahy mahery fo rehetra samy efa voaoman-kiady.


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Dia nandeha izy nanatitra fanomezana ho an’i Heglôna izay lehilahy matavibe.


sady nanainga azy hoe: –Manaraha ahy fa efa natolotry ny TOMPO eo an-tanantsika ny Môabita fahavalontsika. Dia nanaraka an’i Ehoda ireo, ka nandeha nibahana ny toerana fitàna ny ony Jôrdàna, ary tsy nisy Môabita navelany hita na iray aza.


Tamin’izany andro izany dia nietry teo ambany fahefàn’ny Israelita ny Môabita; ka nandry fahalemana ny tany nandritra ny valopolo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra