Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 21:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Fa onena tokoa ny vahoaka tamin’ireo Benjaminita, satria efa nanisy banga teo amin’ny fokon’i Israely ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Ary nanenina noho ny amin’ny Benjamina ny olona satria nisy nobangain’NY TOMPO ny fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Fa onena tokoa ny vahoaka tamin’ireo Benjaminita, satria efa nanisy banga teo amin’ny fokon’i Israely ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nalahelo an’i Benjamina ny vahoaka, fa efa nanabangan’i Iaveh iray ny fokon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary ny olona nanenina noho ny amin’i Benjamina, satria nisy nobangain’i Jehovah ny firenen’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Ary nanenina noho ny amin’ny Benjamina ny olona satria nisy nobangain’NY TOMPO ny fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 21:15
8 Rohy Ifampitohizana  

Taitra i Davida satria tena namely mafy an’i Hozà ny TOMPO, koa io toerana io dia nantsoiny hoe «Peretsa-Hozà», ary mbola izany no fiantso azy mandraka androany.


Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


dia ho toy ny triatra amin’ny manda no haterak’izany heloka izany aminareo: miseho aloha ny mivohitra, ary tampotampoka eo dia mirodana.


Noho ny ezakao, dia haorina indray ireo zavatra rava fahiny ary hatsangana indray ny fanorenana izay efa nilaozana hatry ny elabe; ary ianao dia hantsoina hoe: «Vahoaka mpamboatra ny manda simba sy mpamelona ny lalankely efa maty mba ho tsara honenana ao an-tanàna.»


Koa niverina nody tany aminy teo no ho eo ihany ireo Benjaminita; ary nomena ho vadiny ireo vehivavy sisa velona tao Jabesy-Gilehada, nefa tsy nahenina azy rehetra.


Koa hoy ireo loholon’ny vahoaka tafangona teo hoe: –Tsy misy vehivavy intsony ao amin’ny foko benjaminita, koa inona no hataontsika mba hanomezana vady ho an’ireo lehilahy sisa?


Fa tokony hisy taranaka mpandova ireo Benjaminita sisa velona mba tsy ho fongotra ny foko iray amin’i Israely.


Kanefa onena tokoa izy tamin’ireo Benjaminita mpiray firenena aminy, ka niteny hoe: –Foko iray eto amin’i Israely no mila ho levona androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra