Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:45 - DIEM PROTESTANTA

45 Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

45 Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary izay voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola noenjehiny ihany hatrany Gideoma ireo ka nahafatesany roa arivo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

45 Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

45 Izay niamboho dia nandositra nankany an’efitra any akaikin’ny haram-baton’i Remôna. Dimy arivo lahy no matin’ny zanak’i Israely teny an-dalana, dia nenjehiny mafy hatrany Jedeôna ihany izy ireny, ka nahafatesany roa arivo koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

45 Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dàlana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

45 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

45 Dia nivily ny sisa ka nandositra nankany an-tany efitra ho any amin’ny harambato any Rimona; ary izay voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola noenjehiny ihany hatrany Gideoma ireo ka nahafatesany roa arivo lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:45
6 Rohy Ifampitohizana  

Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.


i Lebaôta, i Silehima, i Haîna, ary i Rimôna; izany hoe tanàna 29 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.


Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin’io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.


Ny tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany dia vatan-dehilahy andiany 25, ka lehilahy kinga famely sabatra sady samy mahery fo avokoa.


Avy eo ny vahoaka tafangona rehetra dia nandefa iraka nirary fihavanana tamin’ireo Benjaminita nandositra niery tao amin’ny harambaton’i Rimôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra