Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin’io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Nahafatesany lehilahy valo arivo sy iray alina ny Benjamina; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Nahafatesana vatan-dehilahy andiany 18 ny Benjaminita tamin’io andro io, dia lehilahy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 Valo arivo sy iray alin-dahy, samy lehilahy mahery avokoa amin’i Benjamina no maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

44 Nahafatesany lehilahy valo arivo sy iray alina ny Benjamina; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:44
4 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.


Notemerin’ny Israelita ireo Benjaminita, nenjehiny tsy an-kiato ka nataony matin-kitsaka teny an-dàlana mandra-pahatonga hatrany atsinanan’i Gebà.


Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra