Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:46 - DIEM PROTESTANTA

46 Ny tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany dia vatan-dehilahy andiany 25, ka lehilahy kinga famely sabatra sady samy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

46 Ny Benjamina rehetra izay lavo tamin’izany andro izany dia lehilahy dimy arivo sy roa alina nahatan-tsabatra; lehilahy mahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

46 Ny tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany dia vatan-dehilahy andiany 25, ka lehilahy kinga famely sabatra sady samy mahery fo avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

46 Dimy arivo sy roa alin-dahy mahatan-tsabatra no tontalin’ny Benjaminita maty tamin’izany andro izany, samy lehilahy mahery avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin’izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:46
5 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.


Nataon’ny TOMPO resy teo anatrehan’ny Israelita ireo Benjaminita, ka nahafatesana vatan-dehilahy miisa andiany 25 miampy 100 lahy tamin’izay andro izay, dia lehilahy kinga famely sabatra avokoa.


Ny Benjaminita sisa dia nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra ho any amin’ny harambaton’i Rimôna. Ny andiany dimy tamin’ireo anefa dia maty noraofim-potsiny teny an-dalana, fa ny sisa kosa nenjehina ka ny nokendrena dia ny hahafongana azy; ary mbola nahafatesana andiany roa koa ireo.


Na izany aza, dia nisy eninjato lahy tamin’ireo nitodi-doha nandositra nankany an-taniefitra no afaka nitsoaka ihany ka tonga tao amin’ny harambaton’i Rimôna ary nitoetra tao efa-bolana.


Dia hoy i Saoly hoe: –Fa izaho ahoana? Izaho anie ka avy amin’i Benjamîna e, avy amin’ilay foko kely indrindra amin’ny fokon’ny Israely? Ary ny fianakavian-draiko moa ve tsy ilay fianakaviana vitsy indrindra amin’ny fokon’i Benjamîna? Koa ahoana no ilazanao zavatra toy izany amiko?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra