Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan’olona ao Gibehà, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin’ny tanin’Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon’ireo Israelita mpiray firenena aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ankehitriny, atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo mba hovonoinay ho faty ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Nefa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Israely rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan’olona ao Gibehà, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin’ny tanin’Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon’ireo Israelita mpiray firenena aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Koa ankehitriny, atolory anay ireo olona ratsy fanahy ao Gabaà ireo, hamonoanay azy sy hanesoranay ny ratsy eo afovoan’i Israely.» Tsy nety nihaino ny feon’ny zanak’i Israely rahalahiny anefa ny Benjaminita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Isiraely rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ankehitriny, atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo mba hovonoinay ho faty ka hesorinay tsy ho eo amin’ny Israely ny ratsy. Nefa ny taranak’i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ny Zanak’Israely rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:13
30 Rohy Ifampitohizana  

Fa nisy olona tena ratsy fanahy teo natao hoe Sebà, zanakalahin’i Bikrỳ sady Benjaminita. Nitsoka anjomara izy sady nanao hoe: –Tsy manana anjara amin’i Davida isika ary tsy misy zavatra iombonantsika amin’io zanakalahin’i Jisay io! Samia mody any amin’ny fonenany avy, ry Israelita ô!


Fa ny olom-poana rehetra kosa dia tahaka ny tsilo fanary ka tsy mba fandrain-tanana.


Dia niroso teo anoloan’i Nabôta ireo tsivalahara roa lahy ka niampanga lainga azy teo anatrehan’ny olona hoe: –Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta! Koa dia nentin’ny olona tany ivelan’ny tanàna izy ary notorahany vato mandra-pahafatiny.


Nisy koa olom-poana, tena ratsy fanahy, tafangona teo amin’i Jerôbohama ka nampidrikina azy tamin’i Rehabohama zanakalahin’i Salômôna; fa mbola tanora sady marefo toetra i Rehabohama tamin’izay ka tsy nahatohitra azy.


Fa rehefa nitenenan’ity mpaminany izany izy, dia namaly hoe: –Moa ve nisy nanendry anao ho mpanolotsaina ny mpanjaka? Aoka itsỳ, fandrao asian’ny olona eo ianao! Dia niato kely ilay mpaminany, vao nanohy hoe: –Fantatro fa nanapa-kevitra hahafaty anao Andriamanitra, satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.


Kanefa tsy nanaiky i Amatsià; avy tamin’Andriamanitra rahateo izany, satria tiany hatolotra eo an-tanan’ny fahavalo i Amatsià sy ny tafiny noho ireo nivavaka tamin’ny andriamanitry ny Edômita.


Izay mafy hatoka tsy laitra anarina dia ho montsana tampoka tsy hisy fanafana.


Halaviro izay mety hampalahelo sy hampaharary, fa ny fahatanorana sy ny hery dia mihelina samy zava-poana.


Hatramin’ny andron’ilay raharaha izay niseho tao Gibehà no efa nanota i Israely, ary tsy niova tamin’izany izy. Koa tsy rariny ve raha ao Gibehà ny ady no hahatratra ireo olon-dratsy ireo?


Nihoa-pampana ny faharatsianareo toy ny fahiny tany Gibehà. Nefa hotsaroan’ny Tompo ny helokareo, ary hoteteziny tsirairay ny fahotanareo.


Mendrika ho faty ny olona manao ny asa toy ireny: didim-pitsarana navoakan’Andriamanitra izany, ary fantatr’izy ireo tsara. Nefa izy ireo dia mbola manao ihany, ary izay manao koa ankasitrahiny.


Ahoana no hifanarahan’i Kristy amin’i Beliala? Anjara inona no hiraisan’ny mpino amin’ny tsy mpino.


Mety anankiray amin’ny tanàna nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo honenanareo, no holazaina hoe:


Ilay TOMPO Andriamanitrareo no harahinareo sy hohajainareo; ny didiny no hotandremanareo, ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.


Izany mpaminany na mpahita izany kosa ataovy maty, satria efa nanao teny mampikomy anareo amin’ny TOMPO Andriamanitrareo. Izy TOMPO no efa nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nanavotra anareo tamin’ny toera-nanandevozana anareo. Ataovy maty izany olona izany satria mitaona anareo hiala amin’ny sori-dàlana izay nasain’ny TOMPO Andriamanitrareo hizoranareo. Dia izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.


Fa hovonoin-ko faty kosa ny olona entim-piavonavonana ka tsy mihaino an’ireo mpisorona mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrareo na tsy mihaino an’ilay mpitsara. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivon’i Israely.


Ny tanan’ireo vavolombelona no hiainga voalohany hamono azy, vao ny tanan’ny vahoaka rehetra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.


dia araka izay nokasainy hatao amin’io namany io no hataonareo aminy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo.


Dia hitora-bato azy ho faty ny mponina rehetra ao an-tanànany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo anivonareo; ary handre izany ny Israelita rehetra ka hatahotra.


dia hoentina hankeo anoloan’ny varavaran’ny tranon-drainy razazavavy ka hitora-bato azy ho faty ny mponina ao an-tanànany; zava-pady tokoa teo amin’i Israely manko no nataony, raha nijangajanga fony izy mbola tao an-tranon-drainy. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.


dia hoentinareo hankeo am-bavahadin’izany tanàna izany izy roroa, ka hotorahanareo vato ho faty: ravehivavy moa, satria tsy niantso vonjy nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria niray tamin’ny vadin’ny namany. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.


Rehefa misy Israelita hita mangalatra ny anankiray amin’ireo mpiray firenena aminy ka manandevo azy na mivarotra azy, dia hatao maty ilay mpangalatra. Izany no hanesoranareo ny fanao ratsy ho fongotra eo aminareo.


Fa raha mbola nampifaly fo teo am-pihinana izy, dia nisy lehilahy faikan’olona tao an-tanàna nanodidina ny trano sy nandondòna mafy tao am-baravarana ary niteny tamin’ilay lahiantitra tompon-trano hoe: –Avoahy iny lehilahy nampiantranoinao ato aminao iny mba hanaovanay firaisana.


Koa nandefa iraka ho any amin’ny faritanin’i Benjamîna manontolo ny foko tsirairay avy hanao hoe: –Ahoana izao heloka mahatsiravina nitranga teto aminareo izao?


Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita.


Raha diso amin’ny olona toa azy ny olona iray, dia Andriamanitra no hitsara ny adiny; fa raha diso amin’ny TOMPO kosa ny olona iray, dia mba iza àry no hitsara? Tsy noraharahain’izy ireo anefa izany tenin-drainy izany, satria efa sitraky ny TOMPO rahateo ny hahafaty azy.


Fa ireo ratsy fanahy sy faikan’olona tamin’izay nanaraka an’i Davida dia samy niteny hoe: –Satria tsy mba niaraka tamintsika ireo, dia tsy omentsika amin’ny babo izay azontsika afa-tsy ny vady aman-janak’izy ireo ihany; aoka hoentiny any ireo dia, avelao izy handeha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra