Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 20:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Fa tonga avy any amin’ny tanàna samihafa izy ireo ka vory tao Gibehà mba hiady amin’ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Koa nivoaka ny tanànany ny taranak’i Benjamina ka nivory tao Gabaà mba hiady amin’ny zanak’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary nivory ny taranak’i Benjamina avy tamin’ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Ary nivory avy tamin’ny tanànany rehetra ny taranak’i Benjamina hankany Gibea mba handeha hiady amin’ny Zanak’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 20:14
6 Rohy Ifampitohizana  

Fa nasain’i Jerôbohama nandroso ny miaramila mpanotrika mba hamely tampoka ny fahavalo avy eo ivoho, hany ka ny tafika israelita tavaratra no teo anoloan’ny Jodeanina ary ny mpanotrika no teo ivohony.


Fa novalian’ny mpanjakan’i Edôma hoe: –Tsy mahazo mandalo eo ianareo. Dia nivoaka nitsena azy niaraka tamin’ny vahoaka marobe nirongo fiadiana ny Edômita.


Nefa i Sihôna tsy namela ny Israelita hamaky eo amin’ny taniny; fa nangoniny avokoa ny tafiny rehetra, ka lasa izy nitsena ny Israelita hatrany Jahatsà, any an-taniefitra ary niady taminy tao.


Atolory anay ny olo-meloka, dia ireo faikan’olona ao Gibehà, mba hovonoinay ho faty ka hataonay tsy hisy eto amin’ny tanin’Israely intsony ny ratsy. Kinanjo ny Benjaminita tsy nety nihaino ny feon’ireo Israelita mpiray firenena aminy.


Tamin’izany andro izany dia natao fanisana ny Benjaminita avy amin’ny tanàna manodidina, ka andiany 26 ny vatan-dehilahy kinga famely sabatra, afa-tsy ireo mponin’i Gibehà izay nanao fanisa-miaramila koa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra