Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 2:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka namela azy ho azon’ireo andian-dahalo izay nandroba azy; natolony ho resin’ny fahavalo manodidina izy, hany ka tsy nahatohitra ireny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka namela azy ho azon’ireo andian-dahalo izay nandroba azy; natolony ho resin’ny fahavalo manodidina izy, hany ka tsy nahatohitra ireny intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy izy, ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia nirehitra tamin’ny Isiraely ny fahatezeran’i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ny fahavalony intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka natolony teo an-tanan’ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy; tsy nahajanona teo anoloan’ireo fahavalony intsony izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 2:14
35 Rohy Ifampitohizana  

Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita indray ny TOMPO, ka nitaona an’i Davida hahatonga loza aminy sy nampanisa azy ny olona ao Israely sy ao Joda.


dia tamin’ny andro nanendreko mpitsara hifehy ny Israely vahoakako; ary hampiadana anao ho afaka amin’ny fahavalonao rehetra Aho. Ambarako aminao koa fa Izaho TOMPO mihitsy no hanome taranaka ho anao.


Koa dia tezitra tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka natolony an’i Hazaela mpanjakan’i Siria sy an’i Beny-Hadada zanany izy nandritra ny fotoana ela.


Izany no nandavan’ny TOMPO ny taranak’i Israely rehetra ka nampahoriny azy sy nanolorany azy ho eo an-tanan’ny mpandroba ary farany hanesorany azy ho lavitra ny fanatrehany.


Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.


Koa dia natolotry ny TOMPO Andriamaniny ho eo an-tanan’ny mpanjaka sirianina i Ahaza; nandresy azy ny mpanjaka sirianina ary nitondra olona sambo-belona betsaka nankany Damasy. Ny tenan’i Ahaza koa dia natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’i Peka zanakalahin’i Remalià sady mpanjakan’i Israely, izay namely mafy ka naharesy azy.


Saingy nihomehezan’ny vahoaka ireo irak’Andriamanitra sady nozimbazimbainy ny teniny; noesoesoiny ny mpaminaniny mandra-pihatry ny fahatezeran’ny TOMPO taminy ka tsy nisy fanafany intsony.


Dia natolotrao izy ho eo an-tanan’ny fahavalony ka ireo no nampahory azy. Nefa, tamin’ny andro fahoriany, dia nitaraina taminao izy ka nohenoinao tany an-danitra; ary satria be fiantra Ianao dia nomenao mpamonjy hatrany izy hanafaka azy eo an-tanan’ny fahavalony.


Izahay ataonao mihemotra eo anoloan’ny fahavalonay sy famabon’ny mpankahala anay;


atolotrao azy toa ondry hatao sakafo izahay sy aelinao any amin’ny firenen-kafa.


Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba tamin’ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin’ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin’ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalànany.


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Ary na dia ho resinareo aza ny tafika babilônianina manontolo izay miady aminareo, ka tsy misy tavela afa-tsy olona maratra, dia mbola hitsangana tsirairay avy ao an-dainy ireny ka ho avy handoro ity tanàna ity amin’ny afo.› »


Dia hohandriniko ianareo ka ho resy eo anoloan’ny fahavalonareo; ireo mpankahala anareo no hanapaka anareo; ary handositra ianareo, na dia tsy misy mpanenjika aza.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


Ho lavo mifanindry ireo toy ny rehefa mandositra fahavalo mitan-tsabatra, na dia tsy misy mpanenjika aza, koa tsy hahatoha ny fahavalony akory.


Tezitra aoka izany tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nampirenireny azy efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahalany tamingana izay rehetra nanao ratsy teo anatrehany.


Ary ianareo, ry andian’olona mpanota, indreo ianareo fa manara-dia ireo rainareo ka hampirehitra indray ny fahatezeran’ny TOMPO amin’ny Israelita.


Amin’izay rehetra ataonareo, dia ozona sy tahotra aman’ahiahy no halefan’ny TOMPO aminareo; ka ho ringana sy ho levona faingana ianareo satria ratsy tokoa ny nataonareo tamin’ny nandaozanareo Azy.


Hatolotry ny TOMPO horesen’ny fahavalo ianareo; ka raha lalana iray no handrosoanareo hiady aminy, dia lalana fito kosa no handosiranareo hiala eo anoloany. Ho zava-mahatsiravina ny nihatra taminareo ho an’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.


Imasoy hotanterahina ny didy rehetra amin’ity Lalàna ity, dia ny didy rehetra voasoratra ato amin’ity boky ity; ary hajao ilay mitondra ny anarana be voninahitra sady mendri-kohajaina hoe «Ny TOMPO Andriamanitrareo». Raha tsy izany no tandrovinareo,


Fahavalo iraika lahy ve hahenjika Israelita arivo? Fahavalo roa lahy ve hampandositra Israelita iray alina? Eny, raha Izaho TOMPO, ilay Vatolampy ianteherany, no efa nanolotra azy ho eo am-pelatanan’ny fahavalony.


raha tàhiny ialànareo ny fanekempihavanana izay efa nandidian’Izy TOMPO Andriamanitrareo anareo; ary raha mandeha manompo andriamani-kafa ianareo ka hiankohoka eo anatrehan’ireo, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ny TOMPO ka ho levona faingana tsy ho eto amin’ity tany soa nomeny anareo ity ianareo.


Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon’i Joda tamin’izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin’ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.


Ny Amôrita kosa dia naharesy tosika ny taranak’i Dana teny amin’ny faritany be tendrombohitra ka tsy namela azy hidina teny amin’ny tany lemaka.


Dia nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nanolotra azy teo an-tanan’ny Filistinina sy ny Hamônita.


Nirehi-pahatezerana tamin’ny Israelita ny TOMPO, ka niteny azy hoe: –Ity firenena ity dia nandika ny fanekempihavanana izay nandidiako ny razany, fa tsy nankatò Ahy;


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita. Noho izany dia nampirisihin’ny TOMPO hamely azy i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Koa natolotry ny TOMPO izy ho eo ambany fifehezan’i Jabîna, mpanjaka kanahanita, izay nanjaka tao Hatsôra. I Siserà, izay nonina tao Harôseta-Gôima, no lehiben’ny tafiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra