Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 19:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Dia nivily tao Gibehà izy mba handry tao. Niditra ny tanàna izy ka nipetraka teo an-kianja, nefa tsy nisy olona nampiantrano azy handry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Dia nivily tao Gibehà izy mba handry tao. Niditra ny tanàna izy ka nipetraka teo an-kianja, nefa tsy nisy olona nampiantrano azy handry.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Ka dia nivily ho any izy, mba handry ao Gabaà. Nony tafiditra ity Levita, dia nijanona teo amin’ny kianjan’ny tanàna, ary tsy nisy olona nampiantrano azy handry any aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Dia nivily lalana ho any Gibea izy mba handeha handry ao. Niditra izy dia nipetraka teo amin’ny kianjan’ny tanàna nefa tsy nisy olona nampiantrano azy mba handriany amin’ny alina.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 19:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho, dia nomenareo hosotroina; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;


Nivahiny Aho, dia tsy nampiantranoinareo; tsy nitafy Aho, dia tsy notafînareo; narary sy tany am-ponja Aho, dia tsy nokarakarainareo.»


Tsarovy ny fampiantranoam-bahiny. Nisy tokoa izay mahavatra nanao izany ka hay anjely aza no nampandrosoiny nefa tsy fantany.


Dia nanohy ny diany izy. Ary efa nilentika ny masoandro fony izy tonga teo akaikin’i Gibehà, tao amin’ny faritanin’i Benjamîna.


Kinanjo intỳ nisy lahiantitra iray tonga avy any an-tsaha niditra ny tanàna, iny hariva iny. Olona avy amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma izy, saingy nipetraka tao Gibehà tanàna fonenan’ny Benjaminita.


Dia novalian’ilay levita hoe: –Avy tany Betlehema any Joda izahay ary hamonjy toerana iray mihataka an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, fa any no fiaviako; ka hody any amiko aho, rehefa avy nivahiny tany Betlehema. Ary tsy misy olona mampiantrano ahy;


Dia namaly ilay levita, vadin-dravehivavy novonoina ho faty, ka nanao hoe: –Niditra tao Gibehà tanàna benjaminita ny tenako sy ny vadikeliko mba handry tao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra