Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nony nandeha izy dimy lahy, ka tonga tany Laïsa dia hitan’izy ireo ny mponina tao amin’izany tanàna izany fa nonina tsy amin’ahiahy, manaraka ny fomban’ny Sidonianina, nandry fahizay tamim-piadanana, ary tsy nisy olona tamin’ny taniny nanam-pahefana nampahory azy, na tamin’inona na tamin’inona; lavitra ny Sidonianina izy, ary tsy nanan-draharaha na tamin’iza na tamin’iza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon’ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin’ny tany na amin’inona na amin’inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin’olona akory.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy. Hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy araka ny fomban’ny Sidoniana, nandry fehizay sady tsy nanana ahiahy; tsy nisy mpandroba natahorana teo amin’ny tany; ary lavitra ny Sidoniana izy ireo sady tsy nanana fifandraisana tamin’olon-kafa akory.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:7
13 Rohy Ifampitohizana  

Hatramin’izay niainany dia tsy mbola niteny mafy azy i Davida rainy na nanontany azy ny antony nanaovany izany. Izy moa dia lehilahy tsara tarehy tokoa, ary natera-dreniny nanarakaraka an’i Absalôma.


Tsy vitan’ny hoe nizotra tamin’ny fahotan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata izy, fa mbola nanambady an’i Jezebela zanakavavin’i Etbahala mpanjakan’ny Tsidônianina sy nanompo an’i Bahala ary niankohoka teo anatrehany.


Koa nahita ahitra milenodenoka sady tsara izy ireo ary midadasika ny tany sady milamina feizay; taranak’i Hama no mponina tao taloha.


Mitsangàna ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka miakara hamely firenena tsy manana ahiahy fa mihevitra ho miaina am-pilaminana, ka tsy manana varavarana na hidy sady mitoka-monina.


Fa ny mpitondra dia tsy natao hampitahorana izay manao ny tsara, fa izay manao ny ratsy. Satrinao ve ny tsy hatahotra ny manampahefana? Manaova ny tsara, fa dera no ho azonao avy amin’ny manampahefana.


Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.


na ireo mpifehy izany, satria nirahin’ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa.


toraka izay nitiavany voninahitra sy filibana no anomezo azy fanaintainana sy fisaonana. Fa izao no lazain’io tanàna io anakampony: ‹Mipetraka toy ny mpanjakavavy aho fa tsy mpitondratena, ka lavitra ahy raha izay fisaonana!›


Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.


Dia hoy ilay mpisorona taminy: –Mandehana ombàm-piadanana, fa miahy anareo ny TOMPO amin’izao dianareo izao.


Dia niverina nankany Tsôrehà sy Estaôla ireo iraka ary nofotorin’ireo mpiray foko aminy momba ny zavatra hitany.


Efa nampitandrina azy Aho manko fa hohelohiko mandrakizay ny fianakaviany noho ny fahotan-janany izay fantany tsara nefa tsy mba nosakanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra