Mpitsara 18:5 - DIEM PROTESTANTA5 Fa hoy indray ireo taminy: –Andeha àry mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20115 Hoy izy ireo taminy: Miangavy anao izahay, manontania amin’Andriamanitra hahafantaranay na hambinina amin’ny lalana alehanay izahay na tsia. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara5 Fa hoy indray ireo taminy: –Andeha àry mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia. Jereo ny tokoBaiboly Katolika5 Ary hoy ireo taminy: «Raha izany àry, anontanio kely Andriamanitra mba hahalalanay raha ho tsara ny dianay». Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy5 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna hianao, manontania amin’Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin’ny làlana alehanay izahay, na tsia. Jereo ny tokoMalagasy Bible5 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache5 Hoy izy ireo taminy: Miangavy anao izahay, manontania amin’Andriamanitra hahafantaranay na hambinina amin’ny lalana alehanay izahay na tsia. Jereo ny toko |
Ary nanome izao baiko izao an’i Orià mpisorona i Ahaza nanao hoe: –Ny alitara lehibe no hampiasainao: eo no hanoloranao ny sorona dorana manontolo isa-maraina sy ny fanatitra lafarinina isan-kariva, ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra lafarinina entin’ny mpanjaka ary ny sorona dorana manontolo mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay entin’ny vahoaka rehetra; hararakao eo koa ny ran’ireo biby natao sorona. Fa ny amin’ny alitara halimo kosa dia mbola handraisako fanapahan-kevitra manokana.
Dia hoy i Saoly hoe: –Marina ny anao; andeha àry isika ho any. Ary lasa izy ireo nankany an-tanànan’ilay lehilahin’Andriamanitra. Teny an-dalana izy ireo dia sendra tovovavy nandeha hantsaka izay nanontaniany hoe: –Ao ihany ve ilay mpahita izay? (Fahiny teo amin’ny Israely dia fanaon’ny olona izay te hanontany mivantana an’Andriamanitra ny manao hoe: «Andeha isika ho any amin’ny mpahita.» Fa izay antsoina ankehitriny hoe «mpaminany» manko no nantsoina taloha hoe «mpahita.»)