Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Dia namaly azy izy hoe: –Zavatra isan-karazany no nataon’i Mikà tamiko; izy no manarama ahy, ka dia tonga mpisorony aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Hoy izy tamin’ireo: Izao sy izao no nataon’i Mika tamiko ary nanome karama ahy izy ka tonga mpisorony aho izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia namaly azy izy hoe: –Zavatra isan-karazany no nataon’i Mikà tamiko; izy no manarama ahy, ka dia tonga mpisorony aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Dia hoy ny navaliny azy: «Izao sy izao no nataon’i Mikasy tamiko; izy manamby ahy ary izaho manao mpisorona ho azy».

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon’i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Hoy izy tamin’ireo: Izao sy izao no nataon’i Mika tamiko ary nanome karama ahy izy ka tonga mpisorony aho izao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Tsy tsara ny mizaha tavan’olona; kanefa na dia sombi-mofo ihany aza dia mety hanotan’ny olona amin’izany.


Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.


Manala baràka Ahy eo anatrehan’ny vahoakako ianareo noho izay vary eran’ny tanana ila na izay sombimofo vitsivitsy. Raha andainganareo ny vahoakako mora fahanan-dainga, dia mahafaty izay tsy tokony ho faty ianareo ary mamelona izay tsy tokony ho velona.›


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


Tsy mba nisy volafotsy na volamena na fitafian’iza na iza notsiriritiko.


tsy tokony ho mpidoroka na hahery vaika, fa handefitra, tsy ho fiadîna, tsy ho matimatim-bola;


Tsy maintsy tampenam-bava ireo fa mampisavorovoro fianakaviana maro, satria mampianatra zavatra tsy tokony hampianarina mba hahazoan-karena amin’ny fomba maloto.


Tia harena loatra ry zareo ka hataony filàm-bola ianareo amin’ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.


Dia hoy i Mikà taminy: –Mijanòna eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin’ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,


Ary natokan’i Mikà ilay levita ka tonga mpisorony ary nipetraka teo aminy.


Fony izy dimy lahy teo akaikin’ny tranon’i Mikà, dia nandre ilay zatovo levita ka nahafantatra ny fomba fiteniny ary nanatona azy ka nanontany hoe: –Iza no nitondra anao amin’itony toerana itony ary inona no ataonao atỳ? Inona no mitazona anao atỳ?


Fa hoy indray ireo taminy: –Andeha àry mba anontanio Andriamanitra hahafantaranay na hahomby izao dianay izao na tsia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra