Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana rainy izay naterak’Israely, fa Laisy no anaran’ny tanàna taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 ary ny anarany nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana, rainy, izay naterak’i Israely; fa Laïsa kosa no anaran’ny tanàna taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary ny anaran’ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana rainy, izay naterak’ Isiraely; kanefa Laisy no anaran’ny tanàna taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ary ny anaran’ny tanàna dia nataony hoe Dana, araka ny anaran’i Dana rainy izay naterak’Israely, fa Laisy no anaran’ny tanàna taloha.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:29
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony ren’i Abrama fa babo ny zana-drahalahiny, dia novoriny ireo valo ambin’ny folo sy telonjato lahy mpomba azy avy tao amin’ny fianakaviany; ka nanenjika ny fahavalo hatrany Dana izy.


Dia hoy i Rahely hoe: –Andriamanitra efa nanome rariny ahy ka nihaino ny fangatahako, ary nanome ahy zanakalahy. Dia nataony hoe Dana ny anarany.


Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


Izao àry no mba torohevitro: Vorio eto aminao ny miaramila israelita rehetra, hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba ka ho toy ny fasika amoron-dranomasina ny hamaroany; ary ny tenanao mihitsy no hiantafika miaraka aminy.


Dia neken’i Bena-Hadada ny fangatahan’i Asà mpanjaka; ary nirahiny ireo filohan-tafiny hamely ny tanànan’i Israely, ka dia nahazo an’i Hiôna sy i Dana ary i Abela-Bety-Mahekà sy ny faritr’i Kinerôta mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo.


Efa ao Dana ny fahavalo ka re avy any ny fiefonefon’ny soavaly. Mihorohoro ny tany manontolo noho ny fanenon’ireo soavaly haingam-pandeha. Avy izy handripaka ny tany sy izay mameno azy, dia ny tanàna sy ny mponina ao aminy.


Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;


Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.


Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.


Dia niainga ny Israelita rehetra ary tafangona toy ny olona iray izy hatrany Dana ka hatrany Beera-Seba sy hatrany amin’ny faritr’i Gilehada no nivory teo anatrehan’ny TOMPO tao Mitsepà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra