Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Mpitsara 18:28 - DIEM PROTESTANTA

28 I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Tsy nisy namonjy izy, satria lavitra an’i Sidona izany tanàna izany ary tsy nifandray tamin’olona akory, sady tao amin’ny lohasaha izay miitatra mankany Bety-Rehoba no nisy azy. Dia nanorina indray ny tanàna izy ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 I Laîsy dia tao amin’ny lohasahan’i Bety-Rehôba, ka lavitra an’i Tsidôna ary tsy niankina tamin’i Arama. Noho izany tsy nisy olona tonga namonjy azy. Dia namboarin’ny Danita ny tanàna, ka nonenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Tsy nisy olon-kamonjy azy, fa lavitra an’i Sidona izy, ary ny mponina tao tsy nanan-draharaha tamin’ny olon-kafa; tao amin’ny lohasaha mandroso mankany Bety-Rohôna no nisy azy. Naorin’ny taranak’i Dana ny tanàna, dia nonina teo izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an’i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin’olona akory izy, sady teo amin’ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:28
14 Rohy Ifampitohizana  

Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba.


Nanan-janaka roa lahy aho; niady tany an-tsaha izy ireo ka maty ilay iray satria tsy nisy nampisaraka.


ka tonga tany Gilehada tao amin’ny tanin’i Tahitîma-Hôdsy, dia nipaka tany Dana-Jahàna sy ny manodidina hatrany Tsidôna.


Koa hevero izany, ry mpanadino Ahy, ndrao viraviraiko tsy hisy hanafaka ianareo.


TOMPO Andriamanitro ô, Ianao no fialofako. Mba vonjeo re aho ary afaho amin’izay rehetra manenjika ahy.


Fa hoy ny Tompo hoe: «Tsy afaka hiravoravo intsony ianareo mponina ao Tsidôna fa afa-baràka toy ny virijiny naolana. Na hiainga aza ianareo ka hiampita hatrany amin’ny nosy Sipra, dia tsy hanam-pitsaharana any akory.


Koa fahavoazana moa izato manjo anao, ry Tsidôna, tanàna mimanda eo amoron-dranomasina! Fa hoy indrindra ny ranomasina hoe: «Laviko ny hihetsi-jaza na hiteraka, laviko ny hitaiza zazalahy na hanabe tovovavy.


Dia niakatra izy ireo ka nisafo ny tany nanomboka teo amin’ny taniefitr’i Tsina ka hatrany Rehôba akaikin’i Lebô-Hamata.


Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.


i Habdôna, i Rehôba, i Hamôna, ary i Kanà; ka miafara any Tsidôna, tanàna lehibe.


Tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy mpanjaka tany Israely. Ary ny fokon’i Dana tamin’izay dia nitady faritany honenany, satria tsy mbola nahazo anjara tahaka ireo foko israelita hafa izy.


Novàny ny anaran’i Laîsy izay niantsoana azy taloha ka nampitondrainy ny anaran’i Dana razambeny, izay zanakalahin’i Jakôba.


Koa nanohy ny diany izy dimy lahy ary tonga tany Laîsy. Hitany fa nilamina ny mponina tao, ka nandry feizay sy tsy manana ahiahy tahaka ny Tsidônianina. Tsy nanana hokianina amin’izay mpitondra azy ny olona. Fa niaina lavitra ny Tsidônianina ireo olona ireo ary tsy niankina tamin’i Arama.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra