Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:19 - DIEM PROTESTANTA

19 –Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 –Mangina ianao, ary tampeno ny vava! Andeha hiaraka aminay, dia ho mpisoron’ny fokonay ianao. Sa inona no tianao kokoa? Ho mpisorona amin’ny ankohonan’olon-tokana ve sa ho mpisorona amina tarika na foko israelita iray manontolo?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ka hoy ny navaliny azy: «Mangina ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao, ary handeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao: Aleonao va mpisoron’ny ankohonan’ny olona iray ihany toy izay mpisoron’ny foko iray sy fianakaviana iray amin’i Israely?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia hoy ireo taminy: Mangìna hianao, tampeno ny tànanao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay hianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin’ny firenena iray sy ny foko iray amin’ny Isiraely?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Hoy ireo taminy: Mangìna ianao, tampeno amin’ny tananao ny vavanao ka andeha hiaraka aminay dia ho rainay sy ho mpisoronay ianao. Moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an’ny olona iray trano monja noho ny ho mpisorona ho an’ny foko sy fianakaviana iray amin’ny Israely?

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:19
12 Rohy Ifampitohizana  

Raha voan’ny aretina hahafaty azy i Elisà, dia lasa hamangy azy i Jôasy mpanjakan’i Israely ary nihohoka teo ambony tavan’i Elisà izy ka sady nitomany no nanao hoe: –Ry dada ô! Ry dada ô! Mahery mihoatra noho ny kalesin’i Israely sy ny mpitaingin-tsoavaliny rehetra ianao!


Nony nahita ireo miaramila rehetra ireo ny mpanjakan’i Israely, dia niteny tamin’i Elisà hoe: –Ry ikaky, hasiako ho faty ve ireo?


Mitodiha aty amiko, fa ho gaga ianareo ary hitampim-bava tsy hahaloa-peo.


Nangina tsy nahateny ny lehibe fa nitampim-bava fotsiny.


Raha niadaladala ka nanandra-tena ianao ary raha mba nieritreritra kosa avy eo, dia tampeno ny vavanao mba tsy hiteny!


Hahita izany ny firenen-kafa ka ho menatra na dia eo aza ny heriny rehetra. Ho gaga loatra izy ka hitampim-bava sy ho gina sofina.


Ary aza miantso olona etỳ an-tany hoe «Rainareo» fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra.


Dia hoy i Mikà taminy: –Mijanòna eto amiko fa hataoko mpisorona ato anatin’ny fianakaviako ianao. Sekela volafotsy folo isan-taona sy fitafiana ary sakafo izay ilainao no homeko anao. Dia niditra ny trano ilay levita,


koa raha nahita iretsy nitsofoka tao an-trano naka ny sampy mbamin’ny efôda sy ny terafima ary ny sarivongana metaly narendrika izy, dia nanontany azy hoe: –Inona no ataonareo ao? Ka hoy iretsy taminy:


Dia faly ilay mpisorona ka nitondra ny efôda sy ny terafima ary ny sampy sady niditra teo anivon’ilay andian-tafika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra