Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan’i Kiriata-Jeharima, tao amin’ny tanin’i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin’i Dana, mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-Jearima any Joda. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany hoe Mahane-Dana mandraka androany; indro, eo andrefan’i Kiriata-Jearima izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan’i Kiriata-Jeharima, tao amin’ny tanin’i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin’i Dana, mandraka androany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Niakatra ireo, dia nitoby tao Kariatiarima any Jodà, izany no niantsoana io tany io mandraka androany hoe: Makane-Dana, ka ao andrefan’i Kariatiarima no misy azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Miriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany hoe mandraka andro-any Mahane-dana; indro, eo andrefan’i Kiriata-jearima izany).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-Jearima any Joda. Izany no nanaovana ny anaran’izany tany izany hoe Mahane-Dana mandraka androany; indro, eo andrefan’i Kiriata-Jearima izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:12
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny Vatamasin’Andriamanitra moa dia efa nampakarin’i Davida avy tany Kiriata-Jeharîma ho ao amin’ny toerana izay nomaniny hasiana azy; fa efa nanangana lay ho azy tao Jerosalema izy.


Tao koa i Kiriata-Bahala izay nantsoina hoe Kiriata-Jeharîma, ary i Rabà; izany hoe tanàna roa miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


avy eo mihodina ho any amin’ny loharano Neftôa, mihazo ireo tanàna any an-tendrombohitr’i Hefrôna, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;


Dia niainga ny Israelita; ka nony afaka telo andro, dia tonga tany an-tanànan-dry zareo, izany hoe tao Gibehona sy Kefirà ary Beerôta sy Kiriata-Jeharima.


Fony i Samsôna tao an-tobin’i Dana, teo anelanelan’i Tsôrehà sy i Estaôla, no nanomboka nanetsika azy ny Fanahin’ny TOMPO.


Dia niala tao Tsorehà sy Estaôla ny vatan-dehilahy eninjato avy tamin’ny fokon’i Dana sady nirongo fiadiana.


Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.


Dia nandefa iraka ho any amin’ny mponin’i Kiriata-Jeharîma izy ireo mba hilaza aminy hoe: –Naverin’ny Filistinina ilay Vatamasin’ny TOMPO, koa tongava ianareo hampiakatra azy ho any aminareo.


Tonga naka ny Vatamasin’ny TOMPO ny mponin’i Kiriata-Jeharîma ka nitondra azy ho ao an-tranon’i Abinadàba teo amin’ny havoana iray. Dia natokan’izy ireo ho mpiambina ny Vatamasin’ny TOMPO i Elihezera zanakalahin’i Abinadàba.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra