Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 18:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Avy tao ireo no niampita ho any amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, ka tonga teo akaikin’ny tranon’i Mikà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Avy teo izy dia nandroso nankany amin’ny tendrombohitr’i Efraima ka tonga tao an-tranon’i Mikasy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany havoan’i Efraima, dia tonga tao an-tranon’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia niala tao izy ka nandroso nankany amin’ny tany be havoana any Efraima, dia tonga tao amin’ny tranon’i Mika.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 18:13
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa nalevina teo amin’ny faritry ny zarataniny izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, eo avaratry ny tendrombohitra Gahasa.


Maty koa i Elehazara zanakalahin’i Aharôna ka nalevina tao amin’ny havoana izay nomena an’i Pinehasa zanany lahy, tany amin’ny tendrombohitr’i Efraîma.


Tao amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma dia nisy lehilahy natao hoe Mikà.


Niakatra ireo ka nitoby tao andrefan’i Kiriata-Jeharima, tao amin’ny tanin’i Joda. Izany no niantsoana io toerana io hoe Manahe-Dana na Tobin’i Dana, mandraka androany.


Dia hoy izy dimy lahy izay nisafo ny faritanin’i Laîsy tamin’ny namany: –Fantatrareo ve fa ny iray amin’ireo trano ireo dia misy efôda sy terafima ary sampy vita sarivongana metaly narendrika? Ankehitriny hevero izay tokony hataonareo.


Tamin’izany andro mbola tsy nisian’ny mpanjaka tany Israely izany, dia nisy levita iray nivahiny tany amin’ny toerana mihataka, an-tsisin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma. Naka vadikely iray tao Betlehema any Joda izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra