Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 16:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina. Nanodina ny vato fikosoham-bary tao amin’ny trano famatorana no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nisambotra azy kosa ny Filistinina sy namotsotra ny masony, dia nampidina azy tany Gazà ary namatotra azy amin’ny gadra varahina roa mikambana. Nampihodina ny vato fitotoam-bary tao an-tranomaizina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin’ny gadra varahina. Nanodina ny vato fikosoham-bary tao amin’ny trano famatorana no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 16:21
15 Rohy Ifampitohizana  

Novonoina ho faty teo imason-drainy ireo zanakalahin’i Tsedekià. Avy teo dia nasain’i Nebokadnetsara nopotsirina ny mason’i Tsedekià; ary nasainy nafatotra gadra halimo izy ka nentina nankany Babilôna.


Dia nasain’ny TOMPO ho tonga hamely azy ny mpitari-tafiky ny mpanjakan’i Asiria; ary nosamborin’ireo i Manase ka nasiany masombỳ sady nogadrany rojo halimo ary nentiny nankany Babilôna.


ny mamatotra ireo mpanjakany sy managadra ireo mpifehy azy,


Koa ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra ao amin’ny tany Ejipta, manomboka amin’ny lahimatoanao Farao izay mipetraka eo amin’ny sezafiandrianany ka hatramin’ny lahimatoan’ny mpanompovavy mpanodina ny fikosoham-bary ary ny lahimatoan’ny biby fiompy rehetra.


Ny mpaniasia ho tsiravin’ny vokatry ny toetrany; fa ny tsara fanahy kosa ho ambony noho izy.


Izay mankao amin’izany vehivavy izany dia tsy misy afa-miverina intsony ary tsy mihazo ny lalan’ny fiainana.


Ny heloky ny olon-dratsy dia mamandri-tena, ka ny fahotany ihany no maningotra azy.


Makà vato fikoseham-bary ka mitotoa koba. Asehoy ny randranao, akaro ny morontongotr’akanjonao, asehoy ny ranjonao, hahazoanao mita ny renirano.


Avy eo dia nasainy nopotsirina voamaso i Tsedekià sady norohizany rojovy mba hoentina any Babilôna.


Ny zatovo mitondra ny vato fikosoham-bary; ary ny ankizy mivembena mivesatra ny hazo.


Tsy tany tondra-dronono sy tantely akory no nitondranao anay ary tsy saha na tanimboaloboka akory koa no nomenao ho fanananay! Heverinao ho poa-maso angaha ireo olona ireo? Tsia, tsy ho any izahay!


hisy roa vavy miara-mikoso-bary: ka ny iray halaina, ny iray havela.


Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.


Kanefa dia nanomboka naniry indray ireo volon-dohany taorian’ny nanetezana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra