Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 16:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary nihiaka mafy i Delilà hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ary nihevitra ny ho tafavoaka toy ny teo aloha, satria tsy fantany fa efa nanaisotra ny fanampiany azy ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Ka hoy izy: «Irotsahan’ny Filistinina ianao, ry Samsôna!» Dia taitra tamin’ny torimasony izy, ka nanao hoe: «Ho afaka amin’izao toy ny taloha ihany aho, dia hitsoaka»; satria tsy fantany fa efa niala taminy i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia hoy Ravehivavy: Tonga hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin’ny torimasony izy ka niteny hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa NY TOMPO efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 16:20
21 Rohy Ifampitohizana  

ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Iza no nanolotra ny firenen’i Jakôba tamin’ny mpisambotra? Iza no nanolotra ny vahoaka Israely tamin’ny mpandroba? Moa ve tsy ny TOMPO izay nanotantsika? Satria ny vahoaka Israely tsy nety handeha tamin’ny lalana nosoritany, ary tsy nihaino ny lalànany.


Tsentsefin’ny vahiny ny heriny nefa tsy fantany akory izany; ary mihafotsy ny volon-dohany, nefa tsy fantany akory izany.


Koa aza mikomy amin’ny Tompo ianareo; ary aza matahotra ny mponin’io tany io, fa tsy misy hataontsika indraim-bava akory ireo. Efa niala taminy ireo andriamanitra fiarovany, fa ny Tompo kosa momba antsika; koa aza matahotra azy ireny ianareo.


Efa nentiko teo amin’ireo mpianatrao, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Izahay dia tsy mihambo hanana fahaleovana hahahevitra asa toy izany avy amin’ny tenanay; fa avy amin’Andriamanitra ny fahaleovana ananany.


Fahavalo iraika lahy ve hahenjika Israelita arivo? Fahavalo roa lahy ve hampandositra Israelita iray alina? Eny, raha Izaho TOMPO, ilay Vatolampy ianteherany, no efa nanolotra azy ho eo am-pelatanan’ny fahavalony.


Izany no tsy hahazoan’ny Israelita hanohitra ny fahavalony; fa handositra eo anoloan’ireo ny Israelita, satria efa voaozona ho ringana. Tsy homba anareo intsony Aho raha tsy fongotra teo aminareo izay nasaiko nolevonina.


Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona.


Nampatorin’i Delilà teo am-pofoany i Samsôna ary niantso lehilahy iray izy hanety ireo randrana fito teo amin’ny volon-dohany. Dia nanomboka nihanalemy i Samsôna satria niala taminy tokoa ny heriny.


Kinanjo nosamborin’ny Filistinina izy ary nopotsiriny ny masony. Dia nentiny nankany Gazà izy ary nafatony tamin’ny rojo halimo roa sosona sy notereny hitoto koba tao an-tranomaizina.


Dia natory tsara i Samsôna ambara-pisasaky ny alina. Fa nony nisasaka ny alina, dia nifoha izy; ka nobetainy ny lela-varavarana kopa-droan’ny vavahadin’ny tanàna mbamin’ny tolàna roa ary nongotany niaraka tamin’ny hidiny, dia nataony an-tsoroka ary nentiny ka napetrany teo an-tampon’ny tendrombohitra manoloana ny tanàna Hebrôna.


Ary nisy lehilahy efa nafenin-dravehivavy tao an’efitranony. Dia nikiaka tampoka i Delilà ka nanao hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia notapatapahin’i Samsôna ireo tady ka maito tahaka ny tady rongony main’ny afo; ary tsy fantatra izay tsiambaratelon’ny heriny.


Nandao an’i Saoly ny Fanahin’ny TOMPO, ka dia fanahy ratsy avy amin’ny TOMPO no tonga nampahory azy.


Ny ampitso, dia nisy fanahy ratsy nalefan’Andriamanitra nilatsaka tamin’i Saoly, ka nampirediredy azy eran’ny trano. Toy ny fanaony dia nitendren’i Davida feon-kira tamin’ny harpa i Saoly izay efa nitana lefona.


Natahotra an’i Davida i Saoly, satria fantany fa nomba azy ny TOMPO, saingy ny tenany kosa efa nialany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra