Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 14:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nalainy tamin’ny tanany ny tantely ka nihinanany teny am-pandehanana. Ary nankany amin’ireo ray aman-dreniny izy, dia nanome tantely azy ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambaran-janany taminy fa tao anatin’ny vondron-taolana fatin-diona no nangalany azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Naka tamin’io izy teo an-tanany, nohaniny teny an-dalana, ka nony nahatratra an-drainy aman-dreniny izy, nomeny koa ireo dia nihinana; nefa tsy nolazainy tamin’ireo fa nalainy tamin’ny vatan’ilay liona ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary nalain’i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nangalany ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Nakan’i Samsona tamin’ny tanany izany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin’ny ray aman-dreniny izy dia nanome azy ka nihinana koa izy mivady. Tsy nambarany taminy anefa fa tao amin’ny fatin’ilay liona no nakany ny tantely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 14:9
7 Rohy Ifampitohizana  

Anaka, mihinàna tantely fa tsara izany; ary ho mamy am-bavanao ny tohony.


Izay manam-paharetana no maharesy lahatra mpitsara; ary ny teny malefaka mampilefitra ny henjana.


Ary nidina nankany amin’ilay tovovavy i Samsôna, ka nanao fanasana fampakaram-bady tao toy ny fanaon’ny tovolahy rehetra.


Andro vitsivitsy tato aoriana dia niverina tao Timnà izy mba hampakatra azy. Ary nivily izy mba hijery ny fatin’ilay liona ka nahita renitantely sy tantely tao anatin’ny vondron-taolan’ilay fatin-diona.


Ka hoy i Saoly taminy: –Nambarany taminay fotsiny fa efa hita indray ireo borikivavy.


Indray andro, dia hoy i Jônatàna zanakalahin’i Saoly tamin’ny zatovolahy mpitondra ny fitaovam-piadiany: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ny miaramila Filistinina erỳ ampita erỳ. Nefa tsy nampandre an-drainy i Jônatàna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra