Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 11:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia hoy ny valin-tenin’ny loholon’i Gilehada hoe: –Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: NY TOMPO no ho vavolombelona amintsika raha tsy manatanteraka araka izany teninao izany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia hoy ny valin-tenin’ny loholon’i Gilehada hoe: –Ny TOMPO no ho vavolombelona amintsika fa araka izay efa nambaranao no hataonay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Hoy ny loholon’i Galaada tamin’i Jefte: «Aoka i Iaveh no ho vavolombelona amintsika; fa hotanterahinay tokoa izany voalazanao izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Dia hoy ny loholon’i Gileada tamin’i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia hoy ireo loholon’i Gileada tamin’i Jefta: NY TOMPO no ho vavolombelona amintsika raha tsy manatanteraka araka izany teninao izany izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 11:10
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Saray tamin’i Abrama: –Manodiava anao ny fahoriako! Nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko; ka nony nahita ny tenany bevohòka izy, dia nanao tsinontsinona ahy. Koa aoka ny TOMPO no hitsara ahy sy ianao!


Ankehitriny ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamadika ahy na ny zanako na ny taranako ianao. Fa ho tahaka ny soa izay nataoko taminao no hataonao amiko sy amin’ity tany izay ivahinianao ity.


Raha mampijaly ny zanako vavy ianao, na maka vehivavy hafa ho vadinao, dia tandremo fa tsy olona no vavolombelontsika fa Andriamanitra mihitsy.


Aoka Andriamanitr’i Abrahama sady Andriamanitr’i Nahôra no ho mpitsara antsika! Dia ilay Andriamanitra Izay nampihorohoro an’i Itsehàka rainy no nianianan’i Jakôba.


«Aza manonom-poana ny anarako ianao fa Izaho TOMPO Andriamanitrao dia mitana ho meloka izay manao toy izany.


Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »


Ary namaly an’i Jeremià ireo hoe: –Aoka ny TOMPO no ho vavolombelona marina sy mahatoky amintsika! Mianiana izahay fa araka ny teny anirahan’ny TOMPO Andriamanitrao aminay tokoa no hataonay.


Mihainoa ianareo, ry firenena rehetra. Mandrenesa tsara, ry tany sy izay rehetra ao aminy! Ny Tompo ANDRIANANAHARY no ho tonga eo anivonareo mba ho vavolombelona hiampanga, dia ny Tompo avy ao amin’ny tempoliny masina.


Ny TOMPOn’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: Izaho no nampiainga izany ozona izany; hiditra ao an-tranon’ny mpangalatra sy ny mpianiana lainga amin’ny anarako izany, ary hitoetra ao ka handevona ny trano mbamin’ny hazony sy ny vatony.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin’ny foko tokoa amin’ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho


Andriamanitra, Rain’i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho.


Tamin’izay koa aho no namoaka didy ho an’ny mpitsaranareo ka nanao hoe: «Henoy ny fifanolanan’ny mpiray firenena aminareo, ka tsarao ara-drariny izany, na ho azy samy Israelita, na ho an’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo aminy.


Dia hoy indray i Jiftà taminy: –Raha mampody ahy ianareo ankehitriny mba hiady amin’ny Hamônita, ka hatolotry ny TOMPO eo anoloako ireny, dia ho filohanareo aho.


Hoy indray i Samoela tamin’izy ireo: –Ny TOMPO sy ny mpanjaka no vavolombelona anio fa tsy nisy zavatra hitanareo tamiko hanomezan-tsiny ny tenako. Dia hoy ny vahoaka teo hoe: –Eny, izy ireo no vavolombelona.


Jereo koa, ry mpanjakako ô! Eny, jereo fa ity an-tanako ity ny morontongotr’akanjonao. Koa raha nanapaka ny akanjonao fotsiny aho fa tsy namono nahafaty anao, dia aoka ho fantatrao fa tsy olon-dratsy na mpikomy aho, ary tsy mba nanota taminao! Ianao no manao haza lambo ahy sady mifofo ny aiko.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra