Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 6:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara sy izay ilain’NY TOMPO aminao, dia izao ihany: Ny hanao ny rariny sy ny ho tia famindrampo ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tsia, ry olombelona, fa efa nampianarina anao ny fitondrantena tsara sy izay tadiavin’ny TOMPO aminao: dia ny hanao ny rariny sy handala ny fitiavana ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amim-panetrentena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Efa nampahalalaina anao, ry olombelona izay tsara, sy izay ilain’i Iaveh aminao, dia ny hanao ny fahamarinana, ny ho tia famindram-po, ary ny hizotra eo anatrehan’ny Andriamanitrao amim-panetren-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain’i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindrampo Ary ny hanaraka an’Andriamanitrao amin’ny fanetren-tena.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ry olombelona, efa naseho anao izay tsara Sy izay ilain'i Jehovah aminao, Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 6:8
66 Rohy Ifampitohizana  

Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»


Ary niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Henôka, ka taorian’ny nahaterahan’i Metosèla dia mbola velona 300 taona izy ary niteraka zanakalahy sy zanakavavy maro.


Kanefa tamin’ny foko aserita sy manasita ary zebolonita dia nisy ihany olona vitsivitsy mba resy lahatra ka tonga tany Jerosalema.


Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.


Ny vavaka nataon’i Manase sy ny nileferan’Andriamanitra taminy ary ny antsipirian’ny fahotana amam-pahadisoana rehetra vitany mbamin’ny faritra nanorenany toeram-panasinana sy nasiany tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nananganany sarivongan-tsampy fony izy tsy mbola niaiky heloka, dia voasoratra ao amin’ny Asan’i Hôzay.


kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’ny TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.


Ny amin’ny teny izay efa renao, dia nino anatra ianao ka niaiky heloka teo anatrehako, rehefa nihaino ny teniko ny amin’ity tanàna ity sy ny mponiny. Ary satria niaiky heloka teo anatrehako ianao ka nandriatra fitafiana sady nitomany, dia efa nihaino anao koa Aho; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Nidina avy tany an-danitra Ianao dia niteny tamin’ny razanay teo an-tendrombohitra Sinay ary nanome azy fitsipika mahitsy sy lalàna marina ary fepetra sy didy lavorary.


Salamo nataon’i Davida. TOMPO ô, firaiketam-po aminao sy rariny ho an’ny vahoaka no zavatra tiako hokaloina: izany no hankalazako Anao an-kira.


na dia ao anatin’ny haizina aza dia iposahan’ny hazavana ireo olo-mahitsy izay miantra sy mamindrafo ary mitandro ny fahamarinana;


Malala-tanana izy manome ny mahantra; maharitra hatrany ny asa fiantràny, ka hitraka hombam-boninahitra izy.


Miantra isan’andro izy ka mampisambotra, ary andraisan’ny zanany fitahiana izany.


Fa izaho kosa, ny mahasambatra ahy dia ny ho eo akaikinao, Andriamanitra ô; Ianao Tompo ANDRIANANAHARY no nataoko fialofana hahazoako manambara ny asa rehetra vitanao.


Ny fanaovana ny marina sy mahitsy dia sitraky ny TOMPO kokoa noho ny sorona.


Ary izao no fehin-teny momba izay rehetra voalaza: hajao Andriamanitra ary tandremo ny didiny, satria izany no andraikitry ny olona tsirairay.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Tandremo ny rariny ka manaova ny marina, satria akaiky ho tonga ny famonjeko ary efa hiharihary ny fanafahako.


Fa ankehitriny ilay Avo manerinerina, ilay mandrakizay ny fonenany sady masina ny anarany, dia manao izao teny izao: «Any amin’ny toerana avo sy masina no onenako, nefa koa ao amin’ny torotoro fo sy manetry tena mba hamelombelona ny fanahin’ireo manetry tena sy hamelombelona ny fon’ireo torotoro fo.


Fa izao rehetra izao dia nataon’ny tanako, ka dia Ahy avokoa izao rehetra izao; teny hentitra avy amiko TOMPO izany. Kanefa ny olona tsinjoviko dia ny mahantra sy ny torotoro fanahy ary ny mandray ny teniko amin-kovitra.


Notsarainy ara-drariny tokoa ny mahantra sy ny malahelo; ary nahitany hasambarana izany. Moa tsy izay manao toy izany ve no tena mahalala marina Ahy TOMPO, hoy ny teny hentitra ambarako?


Izao no lazain’ny TOMPO: Mampihara ny rariny sy ny hitsiny, afaho eny an-tanan’ny mpitsentsitra ireo olona volosany. Aza mampijaly na misetrasetra ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena; ary aza mamono ho faty ny tsy manan-tsiny amin’ity toerana ity.


Fa raha misy te hirehareha, dia aoka izy hirehareha ho afaka mahafantatra Ahy sy mahalala fa Izaho TOMPO, dia mampihatra ny hatsaram-po ary ny rariny sy ny hitsiny eto an-tany. Eny, ny olona toy ireny no sitrako; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»


Tsara ny manantena mangina ny famonjen’ny TOMPO.


Amin’izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin’izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Ohatra kosa misy olon-dratsy iray nilazako fa hahafaty azy tokoa ny afitsony. Raha miala amin’ny fahotany izy ka manao ny rariny sy ny hitsiny, dia tsy ho faty izy.


Teo ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, ny TOMPO araka ny anarana ahatsiarovana Azy,


Fitiavana no sitrako fa tsy sorona; ary ny fiekena Ahy ho Andriamanitra dia tiako noho ny sorona dorana manontolo.»


no nanoherako azy sy nandefasako azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Noho ny fony tsy voatokana ho Ahy, dia hietry tena ireo ka hanefa ny sazin’ny heloka nataony.


Aoka ny rariny hikoriana toy ny rano ary ny fahamarinana ho tahaka ny renirano tsy mety ritra!


Fahendrena ny manaja ny TOMPO! Miantso ny ao an-drenivohitra Izy manao hoe: «Mihainoa, ianareo ry fokon’i Joda sy ry loholona mivory eto an-drenivohitra!


Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra, ry mpanetry tena eto amin’ny tany sady mpanatanteraka ny fitsipiny. Manaova ny marina, manetre tena eo anatrehan’ny TOMPO. Angamba ho voatsimbina ihany ianareo amin’ny androm-pahatezerany.


–Sambatra izay miaiky ao am-po ho mahantra, fa azy ny Fanjakàn’ny lanitra!


Sambatra izay mamindra fo, fa izy no hamindran’Andriamanitra fo!


nefa zavatra iray ihany no ilaina; ka i Maria no efa nifidy ny anjara soa indrindra, izay tsy halana aminy.


Mampalahelo ianareo, ry Farisianina! Fa voaloanareo ho an’Andriamanitra ny ampahafolon’ny solila sy ny veromanitra mbamin’ny anana famboly isan-karazany, nefa ataonareo tsirambina ny rariny sy ny fitiavana an’Andriamanitra; ireto indrindra no tsy maintsy tontosaina, na tsy azo avela aza ireroa.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Andriamatoa ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara ny raharahanareo na ho mpizara ny fanananareo?


Tsara fo ilay Rainareo: noho izany, aoka ianareo ho tsara fo tahaka Azy koa!


Raha izay tsy sitrako no tanterahiko, dia miaiky ny lalàna ho tsara aho;


Fa mba iza anefa ianao, ry olombelona, no mifamaly amin’Andriamanitra? Moa ve ny zavatra vita tamin’ny tanimanga hanao amin’ny mpanefy azy hoe: «Nahoana no toy izao no nanefenao ahy?»


Ahoana moa no ahafantaranao, ramatoa, na hahavonjy ny vadinao tsy mpino ianao na tsia? Ary ahoana moa no ahafantaranao, andriamatoa, na hahavonjy ny vadinao tsy mpino ianao na tsia?


Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin’ny namany avy ianareo; mifamelà heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin’i Kristy.


Koa henoy ny feon’ny TOMPO Andriamanitrareo ary tanteraho ny didy aman-dalàny izay ampitaiko aminareo anio.


Ry Israelita, indro ataoko eo anoloanareo anio ny fiainana sy ny soa ankilany ary ny fahafatesana sy ny loza andaniny.


Olomboafidin’Andriamanitra sy voatokany ho Azy ianareo sady efa notiaviny. Noho izany, aoka ianareo hitafy hatsaram-po sy fiantrana, hamoram-po sy fanetrentena, fahalemem-panahy sy fahari-po.


Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin’ny alalan’ny fahasoavany


Ry adala, tianao ve ny hahafantatra fa tsy vanona ny finoana tsy ombàn’asa?


Dia hoy ihany i Josoa hoe: –Koa ankehitriny manajà ny TOMPO ka manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana. Ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany ampitan’i Eofrata sy tany Ejipta, ka manompoa ny TOMPO.


Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.


Fa ny amiko kosa, dia sanatriaviko ny hanota amin’ny TOMPO ka hijanona tsy hivavaka ho anareo. Ary hatoroko anareo hatrany ny lalana tsara sy mahitsy.


Dia hoy indray i Samoela hoe: –Moa sitraky ny TOMPO mihoatra noho ny fankatoavana AZY ve ny sorona dorana manontolo sy sorona hafa? Tsia! Fa tsara noho ny sorona rehetra ny fankatoavana AZY ary tsara noho ny jaboran’ondrilahy ny fanekena Azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra