Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 5:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 hofoanako tsy hisy amin’ny tananao ny fanandroanao ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hofoanako tsy ho eo an-tanànanareo ny fanaovana ody ratsy ary tsy hisy eo aminareo intsony ny mpanandro.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ny famosavianao, hoesoriko eny an-tananao, ka tsy hisy mpimasy intsony eo aminao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Hofoanako tsy hisy amin’ny tànanao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony hianao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Hofoanako tsy hisy amin'ny tananao ny fankatovanao, Ary tsy hanana mpanandro intsony ianao.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 5:11
10 Rohy Ifampitohizana  

Efa lao ny taninareo, kilan’ny afo ny tanànanareo; ny tany novolenareo aza dia ny vahiny no nihinana ny vokany teo anatrehanareo, ka efa lao tokoa izany tahaka ny faharavàn’i Sôdôma.


TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.


Fa ankehitriny dia toy izao no hamelàna ny heloka vitan’ireo taranak’i Jakôba, ary izao no ho vokatry ny famelana ny fahotany: hopotehiny toy ny vato sokay voatorotoro ny vato rehetra eo amin’ny alitara, ary tsy havelany hitsangana intsony na ny tsatokazo fanajana an’i Aserà na ny fandoroana vovo-javamanitra.


Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa ny fonenan’ireo taranak’i Jakôba. Noravany tam-pahavinirana ny tanànamimandan’i Joda. Nazerany amin’ny tany sy nalany baràka ny fanjakana sy ny mpitondrany.


Hanapa-kevitra ianao fa hiakatra hamely ireo olona finaritra miaina am-pilaminana avokoa ao amin’ny tany izay tsy mba misy tanàna voahodidina manda na manana vavahady mihidy.


Koa hitrangan-tabataban’ady ny vahoakanao, ary ho rava avokoa ny tanànamimandanao, tahaka ny nandravan’i Salmàna an’i Bety-Arbèla tamin’ny andro niadiana izay nahatorotoro ireo reny mbamin’ireo zanany.


Izy no mampipoaka ny fandravana hamelezana ny mahery, ka iharan’ny fandravana tokoa ny tanàna mimanda.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra