Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 8:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Nony hitan’i Jesoa ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko Izy mba hankeny ampitan’ny farihin’i Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko ny handehanana ho eny ampitan’ny ony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Nony hitan’i Jesoa ny vahoaka betsaka nanodidina Azy, dia nanome baiko Izy mba hankeny ampitan’ny farihin’i Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Nony hitan’i Jesoa ny hamaroan’ny olona nanodidina Azy, dia nasainy nampitaina eny an-dafin-drano izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ARY Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Azy, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary Jesosy, nony nahita ny vahoaka betsaka manodidina Ary, dia nanome teny hiala ho eny am-pita.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 8:18
10 Rohy Ifampitohizana  

Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.


Raha nidina avy teo an-tendrombohitra i Jesoa, dia narahina vahoaka maro.


Ny harivan’iny andro iny ihany dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Andeha isika hankerỳ ampita!


Nony tafaverina an-tsambokely teny ampita i Jesoa, dia vahoaka maro no nitangorona nanatona Azy, fa Izy kosa nijanona teo amoron’ny farihy ihany.


Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiondrana an-tsambokely ny mpianany ary nasainy hiampita mialoha hankeny Betsaidà; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.


Dia nandao azy ireo i Jesoa ary niondrana indray nankeny ampita.


Indray andro, niondrana an-tsambokely i Jesoa mbamin’ny mpianany, ka hoy Izy tamin’ireo: –Andeha isika hankeny ampitan’ny farihy! Dia niainga Izy mianakavy.


Fantatr’i Jesoa fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hatao mpanjaka; noho izany, dia lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra