Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Dia nampamatotra Azy ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato governora rômanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary rehefa nafatony Izy dia noentiny ka natolony an’i Pilato governora.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Dia nampamatotra Azy ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato governora rômanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 ary rehefa nafatony Izy dia nentiny ka natolony an’i Pôntsy Pilaty governora.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an’i Pilato governora.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary rehefa nafatony Izy, dia nentiny ka natolony an'i Pilato governora.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary rehefa nafatony Izy dia noentiny ka natolony an’i Pilato governora.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:2
25 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa tonga teo amin’ny toerana izay voatondron’Andriamanitra izy ireo, dia nanorina alitara teo i Abrahama sady nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’i Itsehàka zanany izy, ka nametraka azy teo amin’ny alitara, teo ambony kitay.


ry zareo kosa hanolotra Azy amin’ny hafa firenena mba hoesoiny sy hokapohiny ary hohomboany amin’ny hazofijaliana. Kanefa hitsangana velona Izy amin’ny andro fahatelo.


Ary raha ren’ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo.


Tamin’izay dia nisy olona tonga nitantara tamin’i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an’Andriamanitra iny indrindra no novonoin’i Pilato.


Ary nataon’ireo mpanohitra Azy andrimaso i Jesoa. Olona mihatsaravelatsihy miseho ho olo-marina no nalefany hamandrika an’i Jesoa amin’ny teniny ka hanolorany Azy eo am-pelatanan’i Pilato governora, mba hotsaraina sy hohelohina.


Dia indray nitsangana ny mpivory ka nitondra an’i Jesoa tany amin’i Pilato,


Tamin’izay andro izay dia nanjary nihavana i Herôda sy i Pilato izay nifandrafy iny teo aloha.


Tamin’ny taona faha-15 nanjakan’ny amperôra Tibèry –fony i Pônty Pilato no nifehy an’i Jodea, i Herôda no nanjaka tao Galilea, i Filipo rahalahiny no nanjaka tao Itorea sy Trakônitida, i Lisania no nanjaka tao Abilèna,


Tamin’izay ny antoko miaramila sy ny komandy ary ny mpiandry raharaha nirahin’ireo manampahefana jiosy dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy.


Tamin’izay i Jesoa dia nasain’i Hàna nentina am-patorana ho any amin’i Kaiafa mpisorombe.


Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.


Ny alina mialoha ny hitsaran’i Herôda azy ampahibemaso, dia natory teo anelanelana miaramila roa lahy i Petera. Voafatotra gadra vy anankiroa izy, ary teo am-baravaran’ny fonja dia efa nasiana mpiambina.


Dia nanatona an’i Paoly ny komandy ka nampisambotra azy ary nanome baiko hamatorana azy amin’ny gadra vy anankiroa, sady nanontany hoe: –Iza moa io? Ary inona no nataony?


Efa voafatotra hokapohina i Paoly no niteny tamin’ilay kapiteny nanatrika teo hoe: –Azonareo kapohina ve ny olona mizaka ny zom-pirenena rômanina, na dia tsy mbola voatsara aza?


Niaraka tamin’izay dia nihataka ry zareo efa ndeha hikapoka an’i Paoly hanerena azy hiteny; natahotra mbamin’ilay komandy aza nony nahalala fa mizaka zom-pirenena rômanina i Paoly, satria izy komandy no efa nampamatotra azy.


Rehefa afaka roa taona, dia nodiasan’i Pôrsy Festo amin’ny maha governora i Feliksa. Ary satria te hahazo sitraka amin’ny Jiosy i Feliksa, dia navelany ho ao am-ponja i Paoly.


Izany àry no nangatahako hahita anareo sy hiresaka aminareo, satria mifatotra amin’ity gadra ity aho noho ny amin’Ilay antenain’ny vahoaka Israely.


Ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa ilay Mpanompony. Natolotrareo tamin’ny manampahefana i Jesoa ary nolavinareo teo anatrehan’i Pilato, izay efa tapa-kevitra handefa Azy;


Marina tokoa fa i Herôda sy i Pônty Pilato, niaraka tamin’ny olona hafa firenena sy ny vahoaka israelita, dia nivondrona teto amin’ity tanàna ity mba hanohitra an’i Jesoa Mpanomponao masina, Izay natokanao ho Mesia.


ary nangataka taratasy hahazoany miditra amin’ireo sinagôga any Damasy: ny nokendreny dia ny hamatotra sy hitondra mankatỳ Jerosalema izay olona tratrany manaraka ny lalana nosoritan’ny Tompo, na lahy na vavy.


Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan’ilay Andriamanitra fototr’ain’ny zavatra rehetra sy eo anatrehan’i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an’i Pônty Pilato:


Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin’Andriamanitra tsy mba voagadra.


Tsarovy ny voafonja, ka hevero ho toy ny miaraka voafonja aminy koa ny tenanareo; tsarovy ny ampahorîna, ka hevero ho toy ny ampahorîna tahaka azy ireo koa ny tenanareo.


Fa hoy kosa ireo hoe: –Tonga izahay mba hamatotra anao ary hanolotra anao amin’ny Filistinina. Ka hoy i Samsôna taminy: –Mianiàna amiko àry fa tsy hamono ahy ianareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra