Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 27:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy hamelezana an’i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nony maraina ny andro dia nikaon-doha ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny loholona hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon’ny vahoaka jiosy hamelezana an’i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary nony maraina ny andro dia niara-nihevitra izay hahafaty an’i Jesoa ny lohandohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY nony maraina ny andro, ny lohan’ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nony maraina ny andro, ny lohan'ny mpisorona rehetra sy ny loholona dia niara-nihevitra hiampanga an'i Jesosy mba hamonoany Azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nony maraina ny andro dia nikaon-doha ny lehiben’ny mpisorona rehetra sy ny loholona hiampanga an’i Jesosy mba hamonoany Azy ho faty.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 27:1
16 Rohy Ifampitohizana  

ireo mpanjakan’ny tany miomana hiady; ireo andriana miara-mioko hanohitra ny TOMPO sy ilay Mesiany.


Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.


Fa miresaka ahy ny fahavaloko, miara-mioko mikendry ny hahafaty ahy.


Lozan’izay manoman-keloka, sy mikasa hanao ratsy eo am-pandriany amin’ny alina; ka nony maraina ny andro, dia manatanteraka izany izy satria misy hery eo am-pelatanany.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Raha vao maraina ny andro, dia nivory hanapa-kevitra ny lohandoha-mpisorona niaraka tamin’ny loholona sy ny mpahay lalàna, izany hoe ny Fitsarana ambony manontolo; dia nampamatotra an’i Jesoa ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato.


Tamin’izay dia nisy olona tonga nitantara tamin’i Jesoa momba ireo Galileanina izay nanolotra sorona ho an’Andriamanitra iny indrindra no novonoin’i Pilato.


Nony maraina ny andro, dia nivory ny loholom-bahoaka sy ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna; ary nasain-dry zareo nentina i Jesoa hiatrika ny Fitsarana ambony teo anoloany.


Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.


Nanoa izany teny izany ny apôstôly, ka nankany an-kianjan’ny tempoly vao maraina be ary nampianatra. Tamy kosa ny mpisorombe sy ny mpiandany aminy ka namory ny Fitsarana ambony, izany hoe ny loholona rehetra teo amin’ny vahoaka israelita, ary naniraka mpandraharaha tany am-ponja haka ny apôstôly.


Fantatry ny mponina fa tonga tao i Samsôna; dia nanao fiambenana tokoa ny Gazita sady nitily azy teo am-bavahadin’ny tanàna nandritra ny alina manontolo. Saingy tsy niraika izy ireo tamin’io alina manontolo io fa nanao anakampo hoe: «Aoka handrasantsika hazava ny maraina, vao hovonointsika izy!»


i Saoly dia nandefa olona hiambina ny tranon’i Davida ary hamono azy ho faty ny ampitso maraina. Fa i Mikàla vadin’i Davida kosa nampandre azy ka nanao taminy hoe: –Raha tsy manavotra ny ainao izao alina izao ianao, dia ho faty tokoa rahampitso!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra