Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 20:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin’ny tanimboaloboko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hoy ireo taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy Ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin’ny tanimboaloboko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa hoy ireo taminy: Satria tsy nisy nanakarama anay. Dia hoy izy taminy: Andeha koa ianareo mankany amin’ny tanimboaloboko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa hianareo mankany amin’ny tanimboaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Hoy izy taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin'ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hoy ireo taminy: Satria tsy nisy olona nanakarama anay. Dia hoy Ralehilahy taminy: Mandehana koa ianareo mankany amin’ny tanim-boaloboka.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:7
16 Rohy Ifampitohizana  

Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Fa ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.


Niainga farany izy tamin’ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?»


–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka tamin’ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin’ireo nilatsaka farany ka hatramin’ireo nilatsaka voalohany.»


Isika tsy maintsy manao ny asan’Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan’iza na iza miasa!


nanao hoe: –Inona no hataontsika amin’ireo lehilahy ireo? Ny mponina rehetra eto Jerosalema dia mahalala miharihary ny famantarana vitany ka tsy haintsika lavina.


Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay mampahery anareo araka ny Vaovao Mahafaly ambarako, araka ny hafatra torîko momba an’i Jesoa Kristy, araka ny fanehoana tamiko ny tsiambaratelo takona hatrizay tao amin’Izy Andriamanitra.


satria fantatrareo fa ny olona tsirairay, na mpanompo na tsy mpanompo, dia samy hovalian’ny Tompo, amin’izay soa nataony avy.


izany hoe ilay tsiambaratelo nafenin’Andriamanitra tamin’ny taranak’olombelona hatramin’ny fahagola, fa ankehitriny kosa efa nasehony tamin’ny vahoakany.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra