Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 20:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Niainga farany izy tamin’ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amby folo dia niainga indray izy ka nahita ny sasany nipetra-potsiny dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mipetra-potsiny eto mandritra ny andro?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Niainga farany izy tamin’ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary dia nivoaka koa izy tamin’ny ora faharaika ambin’ny folo, ka nahita mpiasa hafa nijanom-poana, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana hianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary rehefa tokony ho tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo dia nivoaka izy ka nahita ny sasany mitoetra eo, dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mitoetra foana eto mandritra ny andro?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika amby folo dia niainga indray izy ka nahita ny sasany nipetra-potsiny dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no mipetra-potsiny eto mandritra ny andro?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny hakamoana maharendremana, ka ny kibon’ny malaina ho noana.


Ampiasao ny herinao hanatanterahanao izay rehetra azonao atao, fa any amin’ny toeran’ny maty izay halehanao tsy mba misy asa na famoronan-javatra na fahalalana na fahendrena.


Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin’ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.


Niainga koa izy tamin’ny 12 antoandro sy tamin’ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany.


Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin’ny tanimboaloboko.»


Dia tonga ireo nilatsaka tamin’ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy.


Isika tsy maintsy manao ny asan’Ilay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; fa ho avy ny alina izay tsy ahafahan’iza na iza miasa!


Fa ny Atenianina rehetra mbamin’ny vahiny niara-nonina taminy moa dia nandany andro fotsiny hilaza na hihaino izay zava-baovao farany).


Tsy tianay ho ketraka ianareo fa mba hanahaka ireo mino sy maharitra ka manana anjara amin’ny soa nampanantenain’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra