Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 20:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia toy izany, ny farany dia ho voalohany ary ny voalohany dia ho farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany; fa maro no antsoina, ary vitsy no voafidy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia toy izany, ny farany ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 20:16
18 Rohy Ifampitohizana  

Maro amin’ireo voalohany no ho farany, ary maro amin’ireo farany no ho voalohany.


Iza moa amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon-drainy? Dia hoy ireo: –Ilay faharoa! Ary i Jesoa nanao tamin-dry zareo hoe: –Lazaiko marina aminareo fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy mpivarotena dia efa nialoha anareo ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra.


Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Eny, maro no voaantso, fa vitsy no voafidy!


–Midira amin’ny vavahady èty ianareo! Fa lehibe ny vavahady mankany amin’ny fahaverezana ary malalaka ny lalana, ka maro no miditra any;


Kanefa maro amin’ireo voalohany no ho farany, ary maro amin’ireo farany no ho voalohany.


Dia ireo nasaina tonga no nitenenan’ny tompom-panasana hoe: Eny, lazaiko aminareo fa tsy hisy hanandrana ny sakafoko ireo olona nasaina voalohany ireo na dia iray aza!


Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana any an-danitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toe-dratsiny fa tsy amin’ny olo-marina 99 tsy mila fialana amin’ny toe-dratsy.


Koa izao no teniko aminao: Voavela ny heloka be nataony, noho izy be fitiavana; fa izay amelana kely no kely fitiavana.


Ny lalàna no tonga, dia ny mba hampitombo be ny hadisoana; nefa koa teo amin’izay nahabe ny fahotana no nihoa-pampana ny fahasoavana.


Izay voatendrin’Andriamanitra rahateo dia nantsoiny koa; izay nantsoiny dia nekeny ho marina koa; ary izay nekeny ho marina dia nomeny voninahitra koa.


Inona àry no holazaintsika? Izao: ny hafa firenena tsy nitady ho marina teo anatrehan’Andriamanitra no neken’Andriamanitra ho marina noho ny finoana;


Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra