Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 18:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory ka ario lavitra anao, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay mana-maso roa ariana any amin’ny gehen’afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo mirehitra afo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin'ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin'ny helo mirehitra afo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ary raha ny masonao no manafintohina anao, ongoty izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fiainana noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny afobe*.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 18:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa inona no soa azon’ny olona raha eo am-pelatanany avokoa izao tontolo izao, kanefa ny ainy mitondra faisana? Ary inona no azon’ny olona omena ho takalon’ny ainy?


Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila na ny tongotrao ila, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleo ianao tokan-tanana na tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa na tongotra roa nefa atsipy any amin’ny afo maharitra mandrakizay.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin’ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!


Izaho koa milaza aminareo hoe: izay rehetra tezitra amin’ny namana iray finoana dia mendrika hatolotra ny fitsarana isan-tanàna; izay hanao ny namana iray finoana hoe: misy kely, dia mendrika hatolotra ny Fitsarana ambony; izay hanao azy hoe: foka, dia mendrika havarina any amin’ny lohasahan’afo.


Koa raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ankavanana, dia esory ka ario lavitra anao; fa aleonao zavatra anankiray monja anisan’ny tenanao no very toy izay ny tenanao manontolo no arian’Andriamanitra any amin’ny lohasahan’afo.


Ary raha mitarika anao amin’ny ratsy ny masonao ila, dia esory; fa aleo ianao toka-maso nefa tafiditra any amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra toy izay ary maso roa nefa atsipy any amin’ny lohasahan’afo.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Koa aoka isika hazoto hiditra ao amin’izany fitsaharana izany, mba tsy hisy amintsika ho voan’ny tsy fanekena tahaka an-dry zareo tany an-taniefitra fahiny.


ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra