Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 18:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila na ny tongotrao ila, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleo ianao tokan-tanana na tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa na tongotra roa nefa atsipy any amin’ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Raha mitarika anao amin’ny ratsy ny tananao ila na ny tongotrao ila, dia tapaho ka ario lavitra anao; fa aleo ianao tokan-tanana na tokan-tongotra nefa tafiditra any amin’ny fiainana toy izay ary tanan-droa na tongotra roa nefa atsipy any amin’ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario lavitra anao, fa aleo tapa-tanana na tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tanana roa na tongotra roa, very any amin’ny afo mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Koa raha ny tànanao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tànana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario ho afaka aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin'ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin'ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Koa raha ny tananao na ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izy ka ario hiala aminao; fa tsara ho anao ny hiditra kilemaina na mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tanana roa sy tongotra roa, nefa hariana any amin’ny afo maharitra mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 18:8
22 Rohy Ifampitohizana  

Hoheverinao ho zava-maloto ny sampy voasokitra mifono volafotsy sy ny sarivongana voarakotra volamena, ka hatsipinao toy ny zava-maharikoriko ary hataonao hoe: «Mialà amiko!»


Raiki-tahotra ny mpanota ao Tsiôna, mangovitra ireo mpihatsaravelatsihy: «Iza amintsika, hoy izy, no hahajanona eo anilan’izao afo mandevona izao? Iza amintsika no hahatanty an’izao afo tsy misy farany izao?»


Esory ho afaka aminareo ny asa ratsy rehetra fanaonareo; ka mihavaoza fo amam-panahy ianareo. Ahoana no te ho faty ianareo, ry Israelita?


Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denàry efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!


Ary dia izao kosa no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankaviany: «Mialà amiko ianareo voaozona, mandehana any amin’ny afo maharitra mandrakizay izay voavoatra ho an’ny devoly sy ny anjeliny.


Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.


Ary nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany koa àry, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany, dia tsy afaka ho mpianatro!


Dia niantso izy nanao hoe: «Ry ikaky Abrahama ô, mamindrà fo amiko, iraho kely re i Lazara mba hanatsoboka ny loha fanondrony amin’ny rano hampangatsiatsiahany ny lelako, fa mijaly aho ato anaty lelafo ato.»


Madiva ho lasa ny alina, ary mby akaiky ny andro. Ialao àry ny asa fanao amin’ny maizina, ka itafio ny fiadiana fampiasa amin’ny mazava.


dia izy koa no hisotro ny divain’ny haviniran’Andriamanitra, divay izay efa naidina tsy misy fangarony ao anatin’ny tsatokaty fisotroana ny hatezeran’Andriamanitra; sady hampijalîna amin’ny afo sy solifara eo anatrehan’ny anjely masina sy eo anatrehan’ny Zanakondry izy.


ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.


Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra