Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: –Miarena! Aoka izay ny tahotra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary Jesosy nankeo aminy dia nikasika azy ireo sady niteny hoe: Mitsangàna fa aza matahotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: –Miarena! Aoka izay ny tahotra!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa nanatona azy i Jesoa dia nanohina azy, ka nanao taminy hoe: «Mitsangàna, fa aza matahotra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary Jesosy nankeo aminy, dia nanendry azy ka nanao hoe; Mitsangàna, fa aza matahotra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary Jesosy nankeo aminy dia nikasika azy ireo sady niteny hoe: Mitsangàna fa aza matahotra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia indro nisy tanana nanohina sy nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tanana.


Ary ilay nanana endrik’olombelona mbola nanendry ahy indray ka nampahery ahy


Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy.


Ary raha mbola niteny sady nivavaka toy izany aho, dia indro i Gabriela, ilay anjely hitako tamin’ny fahitana anikeheo, fa nanidina haingana nanatona ahy tamin’ny fotoanan’ny fanatitra hariva.


Avy hatrany anefa dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: –Mahereza, fa Izaho ity; aoka izay ny tahotra!


Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin’ny tany.


Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.


Natahotra mafy ireto vehivavy ka nitanondrika, fa hoy izy roa lahy taminy: –Nahoana no atỳ amin’ny toeran’ny maty no itadiavanareo ny velona?


Fa mitsangàna, mankanesa ao an-tanàna, dia holazaina aminao izay tokony hataonao.


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra