Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary nony nandre izany ny mpianatra dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sy natahotra indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary nony nandre izany ny mpianatra, dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Ary nony nandre izany ny mpianatra dia lavo niankohoka sady natahotra indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Nony natopin’i Davida ny masony, dia ilay anjelin’ny TOMPO no hitany nitsangana teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra sady nitana sabatra voatsoaka izay natondrony manandrify an’i Jerosalema. Dia niankohoka i Davida sy ny loholona, izay efa samy nitafy lamba fisaonana rahateo.


Dia nitsangana aho, ka nandeha nankany an-dohasaha. Ary indro ny voninahitry ny TOMPO niseho tao tahaka ilay efa nahitako azy teo amoron’ny ony Kebara, koa nikarapoka nihohoka aho.


Io fahitana io dia mitovy amin’ireo fahitana hitako fony Andriamanitra tonga handrava an’i Jerosalema sy fony aho teo amoron’ny ony Kebara; koa lavo nihohoka nitehi-tany aho.


Dia nanatona ilay toerana nijoroako i Gabriela; ka rehefa tonga izy, dia natahotra aho ka nikarapoka tamin’ny tany. Fa hoy izy tamiko: ‹Aoka ho fantatrao, ry ilay taranak’olombelona, fa iny fahitana iny dia momba ny fiafaran’ny fotoana.›


nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ny TOMPO ka nandevona ny sorona dorana manontolo sy ny tavin-kena teo ambonin’ny alitara. Nony nahita izany ny vahoaka rehetra, dia nanao hobin-kafaliana sady niankohoka.


Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!


Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: –Miarena! Aoka izay ny tahotra!


Niankarapoka tamin’ny tany aho ary injay nisy feo reko niteny tamiko hoe; «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao?»


Samy niankarapoka tamin’ny tany izahay, ary izaho dia nandre feo niteny tamiko tamin’ny teny aramianina hoe: «Saoly, Saoly, nahoana no manenjika Ahy ianao? Manimba tena ianao misetra lefona maranitra!»


Renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka tamin’i Jesoa tany an-tendrombohitra masina izahay.


dia niakatra ho any an-danitra ny lelafo avy tamin’ny sorona teo amin’ny alitara. Ary hitan’izy roa fa niakatra tao anatin’ny lelafo ilay anjelin’ny TOMPO; koa niankohoka tamin’ny tany izy mivady.


Ary hoy i Manôà tamin’ny vadiny: –Tena ho faty tokoa isika, satria nahita an’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra