Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 12:44 - DIEM PROTESTANTA

44 Amin’izay dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ny tranoko izay nialako ihany aho.» Miverina izy ary mahita ny tranony teo aloha foana sy voafafa ary voalamina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

44 Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nialako aho; ary nony tonga izy dia hitany fa foana ny trano sady efa voafafa no voalamina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

44 Amin’izay dia hoy izy hoe: «Hody any amin’ny tranoko izay nialako ihany aho.» Miverina izy ary mahita ny tranony teo aloha foana sy voafafa ary voalamina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

44 ka hoy izy: «Hody any an-tranoko izay nivoahako aho. Ary nony tonga izy ka hitany fa foana sy voadio ary voaravaka ny trano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

44 Dia hoy izy: Hody any amin’ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

44 Dia hoy izy: Hody any amin'ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 12:44
23 Rohy Ifampitohizana  

rehefa manatona azy ny mpifehy. Tahaka ny lafaoro tokoa ny fo feno fitaka ananan’ireo: mandritra ny alina dia matory ny fahatezerany; ary nony maraina dia mirehitra tahaka ny afo midedadeda.


Hatao ahoana moa no fiditra an-tranon’ny olona matanjaka handroba ny fananany, raha tsy voafatotra aloha ilay olona matanjaka? Dia izay vao robaina ny ao an-tranony.


–Rehefa miala amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mivezika etsy mivezika eroa any an-tany karakaina, mitady toerana hialana sasatra kanefa tsy mahita.


Lasa indray izy ka mitondra miaraka aminy fanahy fito ratsy kokoa noho ny tenany ary miara-miditra ao izy rehetra ka miorim-ponenana. Ny toetra hiafaran’izany olona izany dia hahatsiravina kokoa noho ny toetrany voalohany. Toy izany koa no hihatra amin’ny olona ratsy fanahy ankehitriny.


Ary iny tokoa izy miverina ka mahita ilay tranony teo aloha voafafa sy voalamina tsara.


Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nitenenany an’izany fa noho izy mpangalatra: mpitana ny kitapom-bola izy ary naka izay nalatsaka tao anatiny.


Teo am-pisakafoana hariva tamin’izay i Jesoa mbamin’ny mpianany; ary efa nomen’ny devoly hevitra i Jodasy, zanakalahin’i Simôna Iskariôta, mba hanolotra an’i Jesoa.


Vao nomena ilay sombi-mofo i Jodasy, dia nidiran’i Satàna; ka hoy i Jesoa taminy: –Ataovy faingana izay tianao hatao!


(Tsy maintsy misy moa ny fitsitokotokoana eo aminareo mba hahitana tsara izay mahafatra-po eo aminareo.)


Niaina araka ny fomban’izao tontolo izao ianareo; narahinareo ilay mpanapaka ny fahefana mifehy eny amin’ny rivotra, dia ilay fanahy izay miasa ankehitriny ao amin’ireo olona tsy manaiky an’Andriamanitra.


Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.


Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra